Nanamafy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, teny Ivato, fa efa nandraisana fepetra ny zandary nihoa-pefy. ”Tsy ny zandary no ratsy fa nisy ny nanaratsy endrika”, hoy izy.
Niatrika ny fanombohana ny fikaonandohan’ny Zandarimariam-pirenena, teny amin’ny CCI, Ivato, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël. Niaiky ny tenany amin’ny fihetsiky ny zandary sasany izay nihoa-pefy.
“Nisy ny zavatra tamin’ny septambra-oktobra. Maro ny naratra. Nisy namoy ny ainy. Andiana zandary vitsivitsy nihoa-pefy tamin’ireny fotoana ireny, efa nandraisana andraikitra fa manaratsy endrika ny zandarimaria. Tsy ny zandarimaria no ratsy», hoy izy.
Marihina fa lohahevitry ny fikaonandoha ny hoe: «Fanarenana ny zandarimaria mba hamerenana ny fifampitokisana sy hanamafisana ny fandriampahalemana ary hanompoana tsy misy fetra ny tanindrazana».
Anjaran’izy ireo ny mitady ny fomba hamadihana izany ho asa sy fianarana eny an-kianja. Hahatsapan’ny vahoaka ny fiovana sy ny fanavaozana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena izany. Manantena azy ireo ny firenena. Aoka ho mendrika ny fitokisana, ka tsy hiala amin’ny tarigetra mifehy: Tanindrazana sy lalàna. Antenaina ny hivoahan’ny tolo-kevitra matotra sy mahomby amin’ny fikaonandoha. Hahazoana mitondra fanavaozana sy fiovana mivaingana eo anivon’ny zandarimaria izany.
Fanovana takin’ny vahoaka
Nataon’ny fitondrana ho laharam-pahamehana ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna. Manampy izay ny hasin’ny fahefam-panjakana sy ny fanajariana ny fandriampahalemana manerana ny Nosy, ny ady amin’ny kolikoly sy ny gaboraraka samihafa.
“Izany no fanavaozana sy fanovana takin’ny vahoaka amin’ny mpiasam-bahoaka”, hoy ny mpandaha-teny. Hamafisina, araka izany, ny ady amin’ny kolikoly, ny fanajana lalàna sy ny fitsipi-pifehezana. Anisany hojerena ihany koa ny fanatanterahana ny asa ao anatin’ny fangaraharana, ny fanomezan-danja ny tamberin’ andraikitra, ny fanajana ny soatoavina malagasy, ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fanakaikezana ny vahoaka.
*
R. Nd.




