Fikaonandoham-pirenena : Hizara traikefa momba ny federalisma i Alemana

Noraisin’ny minisi-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repo­blika, Razafimanantsoa Ha­nitra, ny ambasadaoron’ny Repoblika Federalin’i Ale­mana, i Olivier Knoerich, omaly.
Nivoitra, tamin’izany, fa mijanona ho mpiara-miasa amin’i Madagasikara eo amin’ ny sehatra ara-politika i Ale­mana. Naneho fahavononana ny masoivoho amin’ny hanohanana ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. « Afaka mandefa manam-pahaizana momba ny fandrafetana Lalàmpanorenana izahay », hoy izy. Nanteriny fa voaresaka ao anatin’ny fa­navaozana ny fanovana ny Lalàmpanorenana, hidirana amin’ny Repoblika fahadimy ary afaka mizara hevitra momba ny federalisma sy ny fitsinjaram-pahefana ihany koa ireo manam-pahaizana Alemà ireo. Mety ho voare­saka mandritra izany fikaonandoha izany ny fotokevitra sy ny rafitra federalisma, araka ny nambarany.

Nitondra fanazavana momba ny fizotrany sy ireo dingana ho amin’ny Fana­vaozana kosa ny minisi-panjakana tamin’ny fihaonana. Tafiditra ao anatin’izany ny fomba entina manangona ireo antontan-kevitra rehetra sy ny fandraisana fanapahan-kevitra mandritra ny fikaonandoham-pirenena.

Fitarainan’ireo eny ifotony

Etsy andaniny, nangataka fiaraha-miasa ny hijerena akaiky sy hanavaozana ny fitantanana ireo faritra aro­vana eto Madagasikara ny ambasadaoron’i Alemana. Notsindriny fa velon-taraina ireo vondron’olona ifotony amin’ny tsy fisian’ny tamberim-bidy mankany amin’ny faritra misy azy ireny. Anisan’ ny soso-kevitra nentin’izy ireo amin’izany ny tokony hisian’ny fiaraha-miasan’ny manam-pahaizana momba ny faritra arovana ao amin’ny GIZ sy ny eo anivon’ny minisiteram-panjakana eo anivon’ny Fiadi­diana ny Fanavaozana ny Repoblika. Tafiditra ao ana­tin’izany ny fanamafisana ny fanatsarana ny fitantanana ireo faritra arovana manerana ny Nosy.

Synèse R.

 

Partager sur: