Voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ny Faritra Atsinanana. Miantso fanampiana ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara. Tsy anaovan-teny fotsiny, fa asa mivaingana hita maso…
“Ny fotoana toy izao indrindra no ifanohanana sy tsy anaovan-teny fotsiny, fa anaovana asa mivaingana hita maso hiaraha-mizaka izay manjo amim-pitiavana. Izany firaisankina izany àry no anentananay eveka raiamandrenintsika mpino katolika manerana ny Nosy”. Io ny hafatra avy amin’ireo eveka raiamandreny, nampitain’ny sekretera jeneralin’ny Fivondronamben’ ny eveka eto Madagasikara, ny evekan’ny diosezin’i Miarinarivo, ny Mgr Rakotoarisoa Jean-Claude, omaly, manoloana ny voim-pirenena noho ny fandalovan’ny rivodoza Gezani.
Tsy takona afenina amin’ ny rehetra ny zava-niseho sy ny voka-dratsy navelan’ny rivodoza Gezani, ka naha tra-boina an’ireo havantsika any amin’ny Faritra Atsinanana, indrindra ny diosezin’i Toamasina. Voin-kava-mahatratra. Noho izany: “Miraisa saina ianareo rehetra, miombona alahelo, mifankatiava toy ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena”. (Taratasy I Piera 3: 8). “Mba haneho fitiavana araka izay fantatry ny fontsika fa mety izay, ary hahazoana manampy ireo havantsika any an-toerana”, hoy ny hafatra. Iangaviana ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen’ny eveka sy ny tomponandraikitra isaky ny diosezy hanehoana an’izay voin-kava-mahatratra izay. Maneho sahady fankasitrahana ny rehetra tsy ankanavaka ny Fivondronamben’ny eveka, nahafoy amim-pitiavana ho an’ireo traboina any amin’ny diosezin’i Toamasina. Ampiarahana amin’ny asa ny vavaka atao ho an’ny tanindrazana, indrindra ho an’ireo namana sahirana.
R. Nd.




