Fanampiana noho ny takaitran’ny rivodoza : Hanome vola 65 miliara Ar tsy averina ny sinoa

Noraisin’ny filohan’ny Fa­na­vaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny masoivohon’i Sina entim-bahoaka, Ji Ping, omaly. Voaresaka sy voatsiahy tamin’izany ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta. Nitohy amin’ny fanaovan-tsonia ho fanamafisana izany ny fihaonana ka tafiditra ao anatin’izany ny fiaraha-miombona antoka eo amin’ny firenena roa tonta.
Anisan’ny niditra an-tsehatra amin’ny fanampiana sy fa­nohanana an’i Madagasikara koa anefa ny governemanta Sinoa manoloana izao voina mahazo ny firenena izao. Mi­tentina hatrany amin’ny 100 tapitrisa Yuan na 65 miliara Ar izany ary vola tsy averina na hakana tambiny avy amin’ny fitondram-panjakana malagasy. Haompana amin’ny laharam-pahamehana izany vola izany ho amin’ny fanarenana izany ka anisan’ny tafiditra ao anatin’izany ny lafiny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny fandaharanasam-panjakana.
Nambaran’ity ambasadaoro sinoa ity fa fanehoana ny fiaraha-mientana amin’ny va­hoaka malagasy noho ny voina sy ny fahavoazana lehibe teto amin’ny firenena, manoloana ireo rivodoza indroa miantoana, Fytia sy Gezani nandalo teto izany. « Ao anatin’ny fahasahiranana lalina tahaka izao no tena ahafantarana ny tena namana », hoy ny filoham-panjakana, tamin’ny lahateniny.
Tsiahivina fa mivelatra amin’ny sehatra marolafy ny fiaraha-miasa amin’ny governemanta Sinoa. Anisan’izany ny sosialy, toy ny fahasalamana, ny fotodrafitrasa, toy ny lalana, ny sehatry ny fampianarana…

Synèse R.

Partager sur: