Fandresen-dahatra ny iraisam-pirenena : Any Addis Abeba ny minisitra Razanamahasoa

Miezaka manamafy ny fifandraisana ara-diplaomatika amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Madagasikara. Tafiditra amin’ny politikan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika izany.

Mitarika delegasionina miatrika ny fivoriana any Addis-Abeba, anio sy rahampitso, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razana­ma­hasoa Christine. Anisan’ny mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Tafiditra amin’ ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona afrikanina (UA), andiany faha-39, ity fivoriana ity ary ho eo ambany fitarihan’ ny filohan’i Djibouti, Maha­moud Ali Youssouf.
Efa nialohavan’ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Raha­hambahiny sy ny fifandraisana maneran-tany an’i Djiboutia, Abdoulkder Houssein Omar izany, ny alakamisy lasa teo. Nampahafantarin’ny minisitra, Razanamahasoa Christine, ta­min’izany, ny zava-misy eto Ma­dagasikara sy ny fivoarana ary ny dingana irosoan’ny fi­ton­dran’ny Fanavaozan’ny Re­poblikan’i Madagasikara. Eo koa ny dinika amin’ny hi­tohizan’ny fiaraha-miasa sy fifanakalozana amin’ny sehatra maro eo amin’ny firenena roa tonta. Nampita ny fiombonam-pon’ny firenena Djibousianina ny mi­nisitra Abdoulkder Houssen, manoloana ny fahavoazana mitranga eto amintsika noho ny fandalovan’ny rivodoza.
Ivontoerana momba ny vaksiny

Etsy andaniny, nandray ny minisitry ny Fahasalaman’ny fanjakana Bouhtan, i Tandin Wangchuk, sy ny ny tale jeneraly lefitry ny ivontoerana mpanao vaksiny, ny Pr Florian Marks, ny minisitra, ny talata teo. Voaresaka ny fiatrehana sy ny famonjena ny mararin’ny tifoidra na koa ny bilarziozy. Niatrika izany ny manampahaizana momba ny vaksiny, ny Pr Rakotozandrindrainy Raphaël sady ben’ny Tanànan’ Ambositra. Nivoitra, tamin’izany, ny hiaraha-miasa amin’io « Institut » any Bhoutana io amin’ny hanavaona vaksiny miady amin’ny tifoidra sy ny bilarziozy.

Synèse R.

Partager sur: