Mois : février 2026

Fanampiana ny traboina ao Toamasina: Mifarimbona ny Nifin’Akanga, ny Autisme Madagascar ary ny OIM

Mavesatra ny ratra navelan’i Gezani. Hatramin’izao, mbola tsy tafarina i Toamasina. Mila ny tolo-tanan’ny rehetra ho fananganana indray ny fihariana. Nitondra ny anjara birikiny ny Nifin’Akanga… Mifarimbona amin’ny tolo-tanana ho an’ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza farany teo, tany Toamasina, ny Ni­fin’Akanga, ny Autisme Mada­gascar ary ny Organisation internationale pour […]

TARATRY ny KANTO

Hanampy ireo mpiray tanindrazana niharam-boina any Toamasina i Joely Kely. Nambarany ombieny ombieny io nandritra ny fampisehoana inefatra nisesy nataony, ny faran’ny herinandro teo. Nohamafisiny sy ny Ivenco izay mpikarakara kosa izany omaly, tamin’ny alalan’ny fanambarana ofisialy. Hisy ampahany tamin’ny vola azo, ampiana amin’izay voaangona ny andron’ny fampisehoana. Nosafidiana fa […]

Misoko miadana sy mangina: Hamaivanin’ny Malagasy ny fahapotehana…

Manomboka misongadina eny amin’ny fiarahamonin’ny Malagasy ny fahasimbana sy ny fahapotehina. Maro loatra ireo tranga heveriny fa bitika ka nohamaivaniny. Ireny no misoko miadana ka manimba ny maha olona, mamotika ny soatoavina, sns. Mbola mahazo vahana eto Madagasikara, ohatra, ny fanomezana anarana vahiny ny zaza vao teraka. Ny fametrahana sy […]

Sokitra vita amin’ny vy : Nodimandry i Sylvain Subervie

Teratany vahiny izy, saingy nanokana ny ampaham-piainany teto Madagasikara. Nodimandry i Sylvain Subervie, mpanao sokitra vita amin’ny vy, fanta-daza maneran-tany. Anarana nanamarika ny tontolon’ny zavakanto, indrindra ny sokitra teto Madagasikara. Nampahafan­tarin’ny fianakaviany, omaly, fa nodimandry teo amin’ny faha-75 taonany i Sylvain Subervie. Mpanakanto teratany vahiny, mpanao sokitra vita amin’ny vy […]

VAOVAO TAMBATRA

Niray hina nanome fanampiana ny traboina any Toamasina ny mpiasan’ny Fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny any Atsinanana sy ny mpikambana anaty Sendikan’ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny harena ambanin’ny tany. Fitaovana, toy ny ordinatera, fanaovana printy, kojakoja birao, sns. Eo koa, ny fanampiana sakafo, toy ny vary sy menaka, miampy lelavola. […]