Tontosa soa aman-tsara, tetsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena taranja tolona, sokajy U17, U20, U23 ary Senior, lahy sy vavy, nokarakarain’ny federasionina (FML). Nambaran-dRaveloson Mamitiana, filohany fa manana lanjany izy ity. Voalohany, hifantenana ireo mpilalao handrafitra voalohany ny ekipam-pirenena hiatrika ny fiadiana ny […]
Mois : février 2026
CHU Analakininina: Notoloran’Ambatovy gropy mpanome herinaratra
Nanohina ny antso nataon’ny toeram-pitsaboana CHU Analakininina na Hôpitalibe ny orinasa Ambatovy, manoloana ny fahatapahan-jiro ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Nanolotra gropy mamokatra herinaratra vaovao, manana tanjaka 17 KVA, hanamafisana ny famatsiana herinaratra, indrindra ho an’ny Sampandraharaha misahana ny fahasalaman’ny zaza ny orinasa, omaly. Manan-danja tokoa ny fanampiana toy izao, indrindra amin’ny […]
INDRAY MIJERY
Mampahafantatra ny rehetra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mahakasika ireo endrika fisolokiana sy kaonty sandoka mampiasa ny anaran’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera. Entanina, araka izany, ny rehetra ho mailo amin’ny hafatra sy kaonty mampiahiahy, tsy handefa vola na hanome vaovao manokana amin’ireo olona milaza ho tomponandraikitra, ary hitory avy hatrany any amin’ny […]
Kaominina Behompy, Toliara II : Nanome tolo-tanana ho an’i Toamasina
Nanome tolo-tanana ho an’i Toamasina, izay voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, ny kaominina Behompy, Toliara II, faritra Atsimo Andrefana. Tonga nanolotra izany tetsy alohan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra Analakely, izy ireo, ny sabotsy lasa teo. “Tonga eto izahay solontena avy any amin’ny kaominina Behompy mba hiombom-po amin’ny vahoakan’i Toamasina satria […]
Mbola tsy levona i Gezani: Loza mitatao ho an’Ampanihy sy Beloha
Omaly tolakandro, tany amin’ny 162 km andrefan’ Itampolo-Ampanihy, no nisy ny foiben’ilay rivodoza Gezani. Nihena hatrany ny heriny. 80 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 110 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niatsinanana izy ka nahafaka 11 km isan’ora. Tombanana hanakaiky kokoa ny morontsiraky ny distrikan’Ampanihy Andrefana izy […]




