Notokanan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, ny orinasa fanodinana ny tain-dramanavy ho lasa zezika, ao Ankilifolo, kaominina Belalanda, distrika Toliara II. Hanala ny tantsaha amin’ny fahasahiranany, indrindra ny any Atsimo Andrefana, ity tetikasa ity. Satria, lafo ny vidin’ny zezika, izay 4 000 Ar ny kilao, ka […]
Mois : février 2026
Vokatry ny rivodoza : Ahina ny hisian’ny mosary
Tandidomin-doza tanteraka ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo taorian’ny fandalovan’ny rivodoza. “Ahina ny hisian’ny mosary noho ny fahasimban’ny vokatra rehetra any an-toerana, kely ihany koa ny vola miditra isan-tokantrano ka hampihena ny toekarena”, hoy ny mpandraharaha, Mandraina Frédéric, anisan’ireo rava trano. Notohizany fa mety hitranga afaka telo volana izany noho ny […]
Sehatra tsy miankina : Miara-mientana hanolo-tanana an’i Toamasina
Taorian’ny fiarahamonim-pirenena, nitodika amin’ny sehatra tsy miankina ny governemanta, nandinika ny handrindrana ny fanampiana ireo traboina ao Toamasina. Natao tetsy amin’ny trano fivorian’ny minisitera ny Raharaham-bahiny (MAE), omaly, ny fivorian’ny fanjakana sy ny OMC amin’ny fanampiana ireo mponina ao Toamasina, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. “Tanjona ny handrindrana ny fandefasana ireo […]
FANTINA sy FINTINA
Nampitandrina ny rehetra, indrindra fa ny mpitondra, Raharinaivo Andrianantoandro, avy amin’ny Vondrona Ampandrana. Nambarany fa tsy mipetra-potsiny ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, manoloana ny raharaham-pirenena. « Mila mitandrina isika fa sao hiady an-trano eto », hoy izy. Ho any Toliary indray ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny 21 febroary izao. […]
Rakoto Andrianirina Fetison: « Ny fomba fisainana no manova ny lalana »
Nivoaka amin’ny fahanginany ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sy ny sosialy (RDS), Andrianirina Fetison. Nambarany fa tsy ny teny no manova. « Ny fomba fisainana no manova ny lalana », hoy izy raha naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena. Nanteriny, tamin’izany, fa afaka mifampiresaka rehefa mipetraka ny fifampitokisana. Afaka […]




