Mois : février 2026

Jiolahy raindahiny : Lavon’ny balan’ny zandary i La croix

Lavon’ny balan’ny zandary miasa any amin’ny vondron-tobim-paritra Andilamena, omaly, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina i La croix. Jiolahy raindahiny amin’ny resaka vaky trano sy halatra omby ary fandravana amin’ny endriny maro izy io. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra ny zandary fa misy lehilahy iray mihaodihaody ao antampon-tanànan’ny distrikan’Andilamena. Tsy […]

Bemasoandro Itaosy : Tongotra sy tanana zazakely hita niaraka tamin’ny labozia

Tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany, omaly maraina, nahitana tanan-jazakely nitondra labozia teo Bemasoandro Itaosy. Mbola nahitana tongotra, notaritarihin’ny amboa tsy lavitra teo. Tapaka tanana sy tongotra hitan’ny fokonolona teny Ampasika Atsimo, fokontany Anosimasina, kaominina ambanivohitra Bema­soandro, distrikan’Anta­nana­rivo Atsimondrano, omaly ma­raina tamin’ny 6 ora sy sasany. Renim-pianakaviana mo­nina eo […]

Federasionina malagasin’ny Tenisy: Hatao ny 14 febroary ny fifidianana filoha

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny sabotsy 14 febroary ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny tenisy (FMT). Io ny tetiandro navoakan’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Araka izany, efa nanomboka omaly ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidina ho an’ireo […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina, anio, ireo lalao efatra nahemotra, tafiditra anatin’ny andro fahefatry ny fiadiana ny ho tompondandakan’i Madagasikara, PFL. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny maro, amin’izany, ny fifanandrinan’ny Uscafoot sy ny AS Ste Anne, etsy amin’ny Kianja Alarobia. Marihina fa mbola tsy resy mihitsy ny Ste Anne raha toa ka mikendry ny haka fandresena […]