Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny lehilahy iray nangalatra volan’ny mpampiasa azy, teny Ampasika. Nametrahan’ny mpampiasa azy fitokisana hatry ny ela io lehilahy io. Nampitondraina vola 1 tapitrisa Ar mahery vidin’entana izy saingy tsy nipoitra intsony. Niteraka ahiahy tamin’ireo mpampiasa io fihetsika io ary nanamarina tao amin’ny toeram-piasana izy ireo. […]
Mois : février 2026
Andraisoro : Fatin-jaza hita tao anaty tatatra
Fatin-jaza vao teraka hitan’ny fokonolona tao anaty lakandrano maloto, teny amin’ny fokontany Andraisoro, boriborintany fahadimy, omaly tolakandro. Natosiky ny rano, nifangaro tamin’ny fako sy ny plastika ny vatana mangatsiakan’io zaza menavava io. Tsikaritry ny olon-tsotra monina eny an-toerana ny fisian’ny tranga ka nampandre ireo mpiara-monina ilay nanatri-maso voalohany. Nitangorona ny […]
Trafikam-bolamena sy devizy : Teratany espainola sy romanina voasambotra
Tra-tehaky ny fadintseranana malagasy ny mpivady, teratany vahiny, saika hanondrana devizy mitentina 17 750 Euros sy 242 000 dolara. Mbola nahavoasoroka fikasana hanondrana volamena milanja 5,8 kilao ihany koa izy ireo. Tany Nosy-Be sy teo Ivato no nitrangan’izany. Tratran’ny mpiasan’ny Fadintseranana malagasy, ny 18 febroary teo, ny teratany vahiny mpivady, […]
GOGUETTE ALLIANCE 92 ( 25 02 2026 )
Clip vaovao : Hamoaka ny « Lasa ianao » i Serge GPE
Manohy ny diany hatrany ny tarika Serge GPE. Fantatra fa hamoaka rindrantsary (clip) nampitondraina ny lohateny « Lasa ianao » ity tarika manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny mozika mavesatra ity. Raha ny nambaran’i Serge GPE, « slow rock » ny gadona nanaovana azy io. Izany hoe, manana fototra « rock » fa somary […]




