Mois : février 2026

Ankorondrano : Mpitondra moto maty voadonan’ny taxi

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tetsy Ankorondrano, ny takarivan’ny alahady, tamin’ny 5 ora sy fahefany. Niseho nanoloana ny orinasa Henri Fraise ny loza. Lehilahy iray 45 taona, nitondra moto, naratra mafy voadona sy voafaokan’ny fiarakaretsaka. Novonjena haingana tany amin’ny HJRA Ampefiloha izy saingy tsy tana ny ainy. Avy any Ankoron­drano, hihazo […]

Toamasina: Zaza dimy taona nianjeran’ny hazo

Manaraka fitsaboana hatramin’izao ilay zazavavy dimy taona nianjeran’ny hazo nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tao Toamasina. Nisedra fahasahiranana ny ray aman-drenin’io zaza io noho ny takaitra navelan’ilay loza voajanahary tao amin’ny renivohitra Atsinanana. Voa mafy nandritra izany ny zanakavavin’izy ireo. Tsy nitazam-potsiny, nitondra fanampiana hanavotana an’io zazakely io ny vadin’ny […]

Saika hanafika mpamongady : Jiolahy telo maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny manodidina an’Ambohipo, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Nisy telo lahy nikasa hanafika tao amina toeram-pivarotana iray. Lavon’ny balan’ny polisy avokoa izy ireo. Nieren-doza ny mpamongady iray eny Ambo­hipo, omaly. Nitsefotra ny fanafihana saika hataon’olon-dratsy tao amin’izy ireo. Tompon’antoka ny telo lahy, nitondra basy. Nisy nahatsikaritra […]

Karate : Nomena fiofanana ireo mpitsara

Nanomboka niova ny lalàna amin’ny fitsipiky ny fifaninanana eo anivon’ny WKF (World Karate Federation), tamin’ity taona 2026 ity. Izany indrindra no antony nanomezana fiofanana ho fanamafisana sy fampitana ny fiovana amin’ireo mpitsara malagasy, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha. Nambaran’ny filohan’ny mpitsara, Sensei Voahirana fa ny mpitsara no […]

DAKA AN-JORONY: Ho rojo vola am-bozon’ny mpihaingo

Niravona amin’ny am-pahany ny olana eo amin’ny baolina kitra, izay maha ketraka ny Malagasy, amin’ny ankapobeny. Rehefa marary mantsy ity taranja ity, toa tsy salama avokoa ny firenena iray manontolo. Tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana tokoa ary ny olana rehetra misy vahaolana. Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny mpanazatra nitondra ny Barea-n’i […]