Mois : février 2026

Tetikasa Decim : Finday 664 000 sy ordinatera 1 400 ho an’ny mpianatra

Finday miisa 664 000 sy ordinatera 1 400 no amidy ho an’ny mpianatry ny Anjerimanontolo hahafahana mikirakira aterineto. Ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Oniversiten’i Fianarantsoa no hanombohana azy. Nosokafan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolo­nely Randrianirina Mi­chaël, sy ireo mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana telo mirahalahy tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy teo, tetsy amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Hanomboka hiverina an-dakilasy, anio, ireo mpi­anatra any Toamasina, araka ny fanapahan-kevitra norai­sin’ny Praiminisitra, teto Toamasina, nandritra ny fidinana nataony tao amin’ny CEG Ratsimilaho. Ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana (CEPE, BEPC, Bakalo­rea). Notsipihiny kosa fa arakaraka ny fahafahan’ny sekoly handray mpianatra no idirany amin’izay fampianarana izay. Nodiovina ny CEG Ratsimilaho tamin’ny alalan’ny […]

Fanatsarana ny fanabeazana: Nomena solosaina ny Akany Onjasoa Toamasina

Nisitraka solosaina miisa 10 avy amin’ny mpanao soa ny Akany Onjasoa Toama­sina, ny zoma 20 febroary. Nano­lotra izany, ny Euro.CRM, orinasa misehatra amin’ny tontolon’ny fiantsoana iray eto amin’ ny Nosy. Nosafidiana manokana ny hanampy ireo sekoly ravan’ny rivodoza Gezani lasa teo. Anisan’izany, ny Akany Onjasoa Toamasina. “Zava-dehibe eto Madagasikara ny […]

Filazantsaran’i Matio : Vita dika amin’ny teny tanana malagasy

Navoakan’ny fikambanana Vavolombelon’i Jehovah, teny Ivato, Soamanandray ny sabotsy 14 febroary lasa teo ny fandikana ofisialy voalohany ny Filazantsaran’i Matio amin’ny tenin’ ny tanana malagasy. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fandikana ny Baiboly manontolo amin’ny tenin’ny tanana malagasy io asa io, tetikasa izay natomboka ny volana jona 2025. Nahatratra enim-bolana teo […]

Hetsika “feminista” : Hisy oniversite manome lanja ny vehivavy sy ny siansa

Mbola miatrika tsy fitoviana sy herisetra samihafa ny vehivavy sy ny tovovavy eto Madagasikara. Manome vahana izany ny krizy politika, toekarena ary sosialy. Mikendry ny hanama­fisana ny lanjan’ny 8 marsa ny fikambanana Nifin’Akanga, Women Break the Silence sy ny Autisme Madagascar. Manomana he­tsika iombonana eto Antana­narivo ny 11 sy 12 […]