“Araka ny antso nataon’ny Vondrona afrikanina, ny governemanta malagasy dia manamafy fa ny fifampiresahana sy ny diplaomasia ary ny fanajana ny fenitra iraisam-pirenena ihany no lalana hahazoana mampitony ny disadisa sy mitandro ny fandriampahalemana ao amin’ny faritra”. Io ny fanambaran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny fiandohan’ny herinandro teo, manoloana ny ady any Moyen-Orient taorian’ireo fanafihana miaramila tamin’ny 28 febroary sy ireo valifaty entina hamaliana izany anivon’ny firenena maro ao amin’ny faritry ny holoan’i Golfa.
Maneho ny ahiahiny manoloana ny famoizana aina sy ny mety ho fiparitahan’ny ady manerana ny faritra i Madagasikara, ary manaja sy manohana ny foto-kevitry ny Sata mifehy ny Firenena mikambana ary ny fanajana ny lalàna iraisam-pirenena. Noho izany, miantso ny fampitsaharana avy hatrany ny herisetra ny Fanjakana malagasy. Eo koa ny fifehezan-tenan’ny andaniny sy ankilany, ary ny fiverenan’ny fifampidinihana diplaomatika haingana.
Mampahafantatra ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny: hatramin’izao, tsy misy tranga mahakasika olom-pirenena malagasy voarakitra any amin’ireo firenena voakasika. Miasa sy mailo hatrany ireo masoivoho malagasy sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, ary miantso ny mpiray tanindrazana mba hitandrina fatratra sy hanaraka ny toromarika omen’ny manampahefana eo an-toerana. Manamafy hatrany ny firaketam-pony amin’ny fandriampahalemana i Madagasikara. Eo koa ny fitoniana iraisam-pirenena ary ny famahana amim-pilaminana ny fifanolanana.
R. Nd.




