Nifampizara ireo asa sy dingana vita nandritra ny efa-bolana niasan’ny minisiteram-panjakana misahana ny Fanavaozana ny minisitra Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany tamin’ny fananganan-tsaina, omaly, fa hanomboka ny fikaonandoha andrana amin’ny faritra telo. Miara-miasa amin’ireo sehatra hafa mikarakara fikaonandoha koa ny minisitera.
Handray andraikitra ny fanjakana ary hisy ny fepetra horaisina manoloana ny fanaparitahana ilay sary manimbazimba ny filoha. “Efa mihoatra ny fefin’ny fahalalahana maneho hevitra ary manohintohina ny zo ananan’ny filoha izany », hoy ny ministra Gascar Fenosoa. Efa any am-ponja, omaly, avy hatrany ireo olona roa ahina ho nanao izany.
Tokony hijoro ho maodely ny miaramila, araka ny nambaran’ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Razafitombo Maminiriana tany Toamasina, ny herinandro teo. Nambarany fa hapetraka haingana ny laharam-pahamehana amin’ireo asa rehetra fanarenana. « Tsy maintsy mijoro sy manome ohatra ho an’ny vahoaka isika na lehibe aza ny fahasimbana », hoy izy.
Miisa 109 ny isan’ireo nametraka antontan-taratasy ho tale jeneralin’ny Cnaps. Voafidy hiatrika ny dingana manaraka kosa ny 37 amin’izany rehefa nahafeno ny fepetra rehetra. Hiatrika ny adina an-tsoratra izy ireo, araka ny fanambarana ofisialy navoakan’ny filankevi-pitantanana sy ny vaomiera maharitra.




