Nosokafana omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny fikaonadoham-pirenen’ny polisim-pirenena. Nitarika izany ny filohan’ ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël.
“Efa tafiditra amin’ny lalana sy dingana arahina mankany amin’ny fikaonandoham-pirenena izao”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël. Nivoitra izany tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny CCI, Ivato, omaly. Nitarika ny fanombohana ny fikaonandoham-pirenen’ny Polisim-pirenena izy. Fakan-kevitra isan-tsehatra no ifantohan’ny fifampiresahana mandritra ny dinika. Mankany amin’ny fikaonandoham-pirenena ny fehinkevitra aoriana. Tanjon’ny polisim-pirenena ny fanatrarana ny tena fanavaozana, araka ny filana sy ny mety mahafa-po ny vahoaka.
“Polisy manakaiky vahoaka ny eo anivon’ny Polisim-pirenena, hita maso ary azo atonina, Polisy manaja ny zon’olombelona, mihaino ny ahiahin’ny olom-pirenena, manampy amin’ny fotoan-tsarotra. Mahavaha olana izany, fa tsy mitondra vesatra sy olana ho an’ny hafa. Tsy miankina amin’ny fahefana fotsiny ny filaminana, fa amin’ny fitokisana indrindra”, hoy ny tale jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny commissaire divisionnaire Tsaramonina Jean Victor.
Andrandraina aorian’ny fikaonandoham-pirenena ny polisy azo atokisana. Hihaino ny fitarainan’ny polisy ny minisitera. Hitodika amin’ny mpitandro filaminana rehetra mba hampifanaraka ny paikady amin’ny zava-misy marina andavanandro. Tena hijoro amin’ny maha matihanina. Haneho hevitra haingana. ”Mba tena hipetraka ho polisy tsara toetra, tsara fanahy, tsara fiasa. Polisy miaro sy manampy vahoaka ary azo atokisana.”, hoy ny minisitera.
R. Nd.




