Niantso ireo teratany malagasy ho mailo ny konsilin’i Madagasikara any Liban manoloana izao ady any amin’iny faritra iny izao. Nivoitra tamin’ny fanambarana koa fa tokony hiala lavitra ny toerana isehoan’ny fifandonana izy ireo any amin’ity firenena ity. Niantso ny rehetra tsy handairan’ny tsaho koa ny konsily.
Nahafa-po ireo iraky ny Sadc ny fandrosoan’ny ezaky ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny lehiben’ny delegasionina sady filohan’i Malawi teo aloha, ny Dr Joyce Banda. Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izy ireo, afakomaly.
Tsy ho tafavoaka amin’ny krizy isika raha tsy mifampiresaka, araka ny nambaran’ny filohan’ny antoko ny Fireneko, tarihin-dRabary Paul, omaly, teny Faravohitra. Nambarany fa manohana ny fanavaozana izy ireo saingy tsy mieritreritra hiditra ao anaty governemanta. Anisan’ny nanasonia ny fifanarahan’ny antoko politika izy ireo.
Mitaky ny mangarahara momba ny taratasy nomena ny Sadc ny mpamakafaka ny fiainam-pirenena, Ravonjiarison Cousin Germain. Nambarany fa mba tsy ho antontan-taratsy politika fotsiny no natolotra ny Sadc. « Politika hamahana ny olana no resaka ka ilaina ny fanazavana mazava momba izany mialoha ny hankatoavana sy hampiharana azy », hoy izy




