Azo raisina ny fakan-kevitry ny mpisolovava, ny Me Ratrimoarivony Solo, mpiaro ny Jly Ravalomanana Richard, ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), araka ny fanapahan’ny HCC lah. 02-HCC/D2, omaly. Momba ny fitarainana manokana ny amin’ny tsy maha araka ny lalàmpanorenana ny fisamborana sy fitsaran’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) ny filohan’andrimpanjakana teo aloha, Ravalomanana Richard, izany. Azo tsaraina amin’ny Fitsarana avo (HCJ) izy amin’ny fandikan-dalàna nataony teo am-panatanterahana na mifandraika amin’ny fanatanterahana ny andraikiny, araka ny And. 133 amin’ny lalàmpanorenana. Azo tsaraina amin’ny Pac izy tamin’ny kolikoly sy ny fandikan-dalàna mifandraika amin’ ny fanenjehana azy amin’izany. Tsy mifanohitra amin’ny And. 133 amin’ny lalàmpanorenana ny raharaha natomboka teo anatrehan’ny Pac, Antananarivo, momba azy.
Mifandraika amin’ny kolikoly sy ny fandikan-dalàna mifandraika amin’izany any amin’ ny faritra iray eo ambany fahefan’ny sampam-panjakana hafa ny fiampangana ny Jly Ravalomanana Richard avy amin’ny Pac. Tsy misy ifandraisany amin’ny fanatanterahana ny asa ara-dalàna ataon’ny filohan’ny Antenimierandoholona, araka ny And. 133, ireo fandikan-dalàna ireo. Noho izany, misaraka amin’ny andraikiny amin’ny maha filohan’ny Antenimierandoholona azy ireo fihetsika nasehony. Eo ambany fahefan’ny fitsarana tsotra, indrindra ny Pac, ny raharaha, araka ny And. 18 amin’ny lalàna lah. 2021-015, tamin’ny 5 aogositra 2021.
R. Nd.




