Nivoitra tao anatin’ny fivoriana niarahan’ny minisitera valo sy ny mpiahy ara-drariny notarihin’ny profesora Ravaka Andrianaivotseheno, omaly, fa hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ireo sampandraharam-panjakana…
Minisitera valo no nahazoan’ny teo anivon’ny Mpiahy ara-drariny fitarainana be indrindra avy amin’ny vahoaka. Manoloana izany, nisy ny fivoriana niarahan’ny eo anivon’ny Mpiahy ara-drariny sy ireo minisitera voakasika, omaly, teny amin’ny birao fiasan’izy ireo, eny Isoraka. « Anton’izao fivoriana izao ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fametrahana fomba fiasa sy fitsipika eo amin’ny Mpiahy ara-drariny sy ny sampandraharaham-panjakana », hoy ny fanazavan’ny eo anivon’ny Mpiahy ara-drariny, mpiaro ny zon’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny mpitarika, ny profesora Andrianaivotseheno Ravaka Vonimbola. Nambarany fa minisitera valo no nampanantsoin’izy ireo noho ny fitarainana avy amin’ ny vahoaka.
Tsy sazy fa fametrahana fitsipika…
Nivoitra tao anatin’izany ny fampahatsiahivana sy fanamafisana ny etika sy deontolojia tokony hananan’ny mpiasa amin’ny sampandraharaham-panjakana rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny fitondrantena, araka ny fanazavan’ny Profesora hatrany. Nohamafisiny fa tsy sazy na fibedesana izao fampiantsoana izao fa fametrapetrahana ny fitsipika sy fiaraha-miasa ao anatin’ny zo fototra apetraky ny lalàna ho fitsinjovana ny zon’ny vahoaka sy ny tany tan-dalàna. «Hapetraka mazava ny fitsipika takina amin’ny mpiasam-panjakana. Izany hoe, fametrahana sakana mba tsy hisian’ny fitanilana na fanaovana kolikoly, ka ny vahoaka hatrany no mitondra faisana», hoy hatrany izy. Niantso ny vahoaka malagasy ny Mpiahy ara-drariny fa ny asan’izy ireo dia tsy andoavam-bola. Noho izany, tsy tokony hisalasala ny rehetra hanao fitorohana raha misy tranga mahakasika ny fiainam-bahoaka.
Jean Claude




