Zanak’Androy : Manameloka ny faniratsirana ny Filoha

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny Acsa Ambohidahy, ny za­nak’Androy. Navoitran’izy ireo tamin’ny fanambarana nataony ny fanamelohany ny faniratsirana sy fanimbazimbana ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, tamin’ny alalan’ny sary maka endrika alika. «Melo­hinay tanteraka ny fampitoviana ny filoha Randrianirina Michaël amin’ny amboa amin’ny maha zanakay azy. Tsy fanajana ny soatoavina maha malagasy izany. Manimba­zimba ny foko Antandroy ny toy ireny ka tsy ekenay», hoy ny fanambaran’izy ireo. Nan­teriny fa tsy misy resaka foko ity raharaha ity fa izay olona nanao ilay sary no melohin’izy ireo. Notsindriny fa raha tratra ilay olona nanao iny zavatra mamoafady iny dia mila mamono omby ho fidiovana, araka ny fomba Antandroy amin’ny tranga fanimbazimbana ny firazanana toy ireny.
Nitondra ny teny fisaorana ho an’ny minisiteran’ny Se­rasera sy ny kolontaina izy ireo amin’ny fandraisana andraikitra tamin’iny tranga iny. Miantso ny tomponandraikitra hatrany anefa amin’ny fikarohana izay niandohan’ny olana ary hanafay azy amin’ny lalàna velona. «Mitaky sazy henjana ho an’izay nanao iny sary niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera iny izahay», araka ny fanambaran’
izy ireo hatrany.

Andry F.

Partager sur: