Vehivavy iray hita faty tao Ambalamanasa, fokontany Andranomainty, kaominina Manakara, omaly. Tsy nisy nahalala azy ny mponina nanatri-maso. Nentina nihazo ny tranom-paty ny vatana mangatsiaka miandry ny fianakaviany. Taxi-be roa nifandona teny Ambohidranomanga, kaominina Imerintsiatosika, omaly maraina. Nandeha mafy ny iray ka tapaka hisatra. Nifatratra tamin’ny fiara iray hafa teo […]
Mois : mars 2026
Nangalatra zaza menavava : Naiditra am-ponja ilay vehivavy tompon’antoka
Niakatra fampanoavana omaly, ny raharaha hala-jaza tany Antanambao, fokontany Ankaraobato Amborovy, Mahajanga, ny herinandro teo. Naiditra vonjimaika am-ponja, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy ilay vehivavy tompon’antoka, taorian’izay. Tsiahivina fa nangalatra zaza menavava vao enina andro monja, tany Ankaraobato Amborovy, ny marain’ny zoma 27 marsa lasa teo ity farany. Nokasainy hoentina tany […]
Nitondra antsy sy sabatra : Jiolahy roa mpanafika tratry ny polisy
Lehilahy roa voasambotry ny polisim-pirenena tao Tanambao Verrerie, Toamasina, ny alin’ny alahady 29 marsa 2026, tamin’ny 11 ora sy sasany. Nanafika sy nanendaka olona mpandalo tany an-toerana ny andian-jiolahy nirongo antsy sy sabatra. Voaroba, tamin’izany, ny entana rehetra teny amin’ilay lasibatra. Mbola noratrain’izy ireo tamin’ny zava-maranitra ihany koa ilay mpandalo. […]
Namonjy kabone vao maraina: mpianaka niara-maty voatsatoka antsy
Voafira antsy teo amin’ny tendany ny renim-pianakaviana iray, omaly maraina, tao Marofinaritra. Voatsatoka antsy indroa ny zanany vavy. Vokany, maty avokoa izy mianaka. Nitrangana habibiana nataon’olon-tsy fantatra tao amin’ny tanànan’i Marofinaritra, kaominina Mananjary, omaly maraina. Niara-namoy ny ainy tamin’ny zanany vao dimy taona monja ny renim-pianakaviana iray, tokony ho 43 […]
Salon du Chocolat et de la Gourmandise : Nahafa-po ny mpitsidika
Nanentoento ny fofona Chocolat tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny sabotsy lasa teo, nandritra ny “Salon du chocolat et de la gourmandise », andiany faha-8. Hetsika nokarakarain’ny Wednesday Morning Group (WMG). Nahafa-po ny maro ny fitsidihana ireo tranoheva, nanomboka ny maraina hatramin’ny hariva nifaranan’izany. Anisan’ny nahasarika azy ireo ny fankafizana ny tontolon’ny […]




