Mois : mars 2026

Misy isainana

  Lesona iray lehibe azo tsoahina tamin’ny fanendrena ny Praiminisitra ny fifampitokisana. Olona manaja ny teny nomena, tsy mivadi-belirano na eo aza ny tsindry isan-karazany, ny lehiben’ny governemanta vaovao. Nandritra ny fotoana maharitra no efa nijoro ho arofanina izy, tamin’ny toe-javamisy tsy nety teto amin’ny firenena. Tsy nampaninona azy ny […]

Governemantan’ny fanavaozana : Minisitra “choc choc” no hotendrena

Mahitsy, fohy, mivantana… Kabary sy valin-teny “choc choc”? “Choc choc” koa ny minisitra hotendrena eo, raha ny nambaran’ny Praiminisitra vaovao, Rajaonarison Mamitiana Jeannot R., tamin’ny nandraisany ny asany. “Toromarika no nomen’ny filoha ahy: minisitra “choc choc”. Tonga dia manome vokatra eo no ho eo no hotendrena”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra […]

Pureplay Football League : Voatazon’ny CosPN ny Disciples

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahavalo sy fahasivin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­ga­sikara, “Pureplay Football League (PFL)”. Nosahiranin’ny CosPN Analamanga ny Disciples Fc Vakinankaratra, ny asabotsy teo, tany Antsirabe. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny roa tonta. Marihina fa ny ekipan’ny Polisy nasionaly no nitarika 1 […]

Rugby – « XXL Top 12 » : Mbola mpanjakan’ny kartie ny CEA Andranomanalina

Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andoha­ta­penaka, ny andro fahafito fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina lavalava. Mipetraka ho mpanjakan’ny kartie amin’ity taranja ity izany ny CEA Andrano­ma­nalina, rehefa nandavo ny FTM Manjakaray, tompondakan’ny “XXL Top 12” farany teo, tamin’ny mokafohy, 29 no ho 28. Raha iverenana kely ny […]

DAKA AN-JORONY: Lasa ilay tongotra havia

Nanjombona mbola atoandro ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Maty ilay kintan’ny baolina kitra, Rakoton­dramasy Desiré, fantatra ny maro amin’ny hoe: Dezy Ramasy. Toy ny nilatsaham-baratra ny rehetra nandray ny vaovao. Tampoka loatra tamin’ny mpankafy fa tsy heno narary na nanaovana antso fanampiana tetsy sy teroa Itompokolahy. Kintana tena namiratra tao […]