Nifarana ny sabotsy lasa teo, tany Bangkok Thaïlande, ny fifaninanana”Fiba 3×3 Champions Cup” izay nandraisan’i Madagasikara anjara. Tsy nahomby ny Ankoay lahy sy vavy. Faharesena 3 avy no azon’izy ireo nandritra ity fifaninanana ity, ny faran’ny herinandro teo. Firenena goavana sy efa tompon’ny basikety 3×3 maneran-tany avokoa no nifanandrinan’izy ireo […]
Mois : mars 2026
INDRAY MIJERY
Azo atao eny amin’ny CSB II ny “visite médicale” ho an’ireo mpiadina hanala bakalorea. Ny volana avrily no fe-potoana farany handefasana fangatahana fanokafana ivontoeram-panadinana vaovao ary ireo mahafeno ny fepetra takina ihany no ekena, raha ny fanazavan’ny Mesupres Voaresaka nandritra ny CPU ny kalitaon’ny fanoratana «mémoire». Nentanina ny Oniversite hametraka […]
CPU : Mifanohana ny minisitera sy ny oniversite
Lohahevitra manan-danja 5 no niaraha-nidinika nandritra ny Conférence des présidents des universités (CPU) élargie. Niarahana tamin’ny Pr Andriamaniraka Jaona Harilala, sekretera jeneralin’ny Mesupres sy ireo filohan’ny oniversite manerana ny Nosy ary ireo tale jeneralin’ny IST izany. Fantatra, tamin’izany, fa efa nifarana ny fisoratana anarana ary efa nahavita ny “Commission de […]
Fitantanana ny fanampiana : Nitondra fanazavana ny BNGRC
Nanazava ny paikady fizarana ny fanampiana ho an’ireo traboina any Toamasina ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel. Mahakasika ireo sorabola fanampiana nolazain’ireo firenena mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara sy ireo vola nanaovana fanampiana dia fantatra fa tsy mbola nandrotsaka izany ny ankamaroany. Tsy mitantana ny vola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka (PTF) […]
Vehivavin’Anosy Avaratra : Mijoro ho andry iankinan’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina
Nanokana fotoana ankalazana ny andro ho an’ny zon’ny vehivavy ny Vondron’ny vehivavy maherin’Anosy Avaratra (VVMAA). Notanterahina afakomaly izany. Nisy fankalazana manokana ny andro ho an’ny zon’ny vehivavy teny Anosiavaratra, afakomaly. Natomboka tamin’ny filaharambe niainga teo amin’ny renivohitry ny kaominina, namakivaky tanàna izany, niafara tao amin’ny Kianjan’ Isahafa. Nisy ny fifaninanana […]




