Mois : mars 2026

TARATRY ny KANTO

Ankafizin’ny tanora ny tarika Rossy. Tsy azo lavina izay, raha ny zava-nisy teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy lasa teo. Nantsoina hanafana ny fanombohan’ny «Smatch’in» izy. Lalaon’ny tanora, saingy tsy nisy tsy niredona ny hiran’ny Rossy ny iray lapa. Niraikitra koa aza ilay tononkira novaina tamin’ny «Ampitampitao» nandritra ny […]

Horizon Madagascar : Hampiofana momba ny fikarakarana hetsika

Tokony ho matihanina avokoa ireo mpisehatra amin’ny fi­karakarana hetsika ara-javakanto. Antony iray nananganana ny tetikasa «Horizon Mada­gascar» izany. Ry zareo avy ao amin’ny Nas Production no hi­sahana izany, izay efa natombok’izy ireo tamin’ny fampiharana nandritra ny fandalovan’ireo mpanakanto maromaro, avy any ivelany. Hi­to­hy indray izany, ma­nodidina ny seho izay hotontosain’i […]

Voin-kava-mahatratra : Nahavita ny adidiny ny Maami

Mpanakanto ara-pilazantsara sy antoko mpihira mitambatra na Maami. Anaram-bondrona niforona noho ny fahatsapan’izy ireo ny adidy miandry, fanehoana firaisankina ho an’ny mponin’i Toamasina sy ny manodidina, vokatry ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani. Nahavita ny adidy ny Maami, satria tontosa soa aman-tsara ny hetsika izay nataon’izy ireo ny asabotsy teo, teny […]

Taranaky ny Andriamanjaka eto Imerina : Mitsipaka an’i Ndriana Rabarioelina ho mpanjaka

Tongo-bakivaky… Mifanipa-kevitra ireo misora-tena ho andriana merina. Tsy manaiky ny maha mpanjakan’i Madagasikara an’i Ndriana Rabarioelina ny taranaky ny andriamanjaka. Resaka fandravana ny «Kianja Masoandro» hatrany… Toy ny valala an-karona. Izay aloha no zava-misy iaraha-mahalala, nohamafisin’ny fanambarana nataon’ireo vondron’olona milaza fa taranaka andriana mivondrona anatin’ny Vovonan’ny taranaky ny andriamanjaka eto […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tafahoatra ny 100 dolara, izany hoe, 103 dolara ny barila (1b=159 L), ny zoma 13 marsa teo, raha mbola 93 dolara/b, ny 12 marsa. Nanomboka ny 28 febroary, fotoana nipoahan’ny ady nanafihan’i Etazonia sy Israel an’Iran no nanomboka ny fiakaram-bidy, raha […]