Nampahafantarina ny 13 marsa teo, ny vokatra vaovao an’ny orinasa Star. Voakasik’ izany ny Fresh, ny Caprice, ny Woco ary ny XXL, izay atao anaty fonosana vifotsy (canette), 33 cl. Zava-pisotro « panaché » voalohany vokarina eto Madagasikara, ny Fresh anaty vifotsy « canette », sady mora ampiasaina. Hita bebe kokoa amin’ny lalam-barotra Modern […]
Mois : mars 2026
Fiarovana ny zon’ny mpanjifa : Ilaina ny fiaraha- mientan’ny rehetra
“Mbola miparitaka ny vokatra tsy azo antoka, misy hosoka na tsy manara-penitra ka mampihena ny fahatokisan’ny mpanjifa satria mampidi-doza azy, indrindra fa ara-pahasalamana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC), Rasolofoarison Misa, nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa (JMDC). Hetsika natao omaly, tetsy […]
Salon des transports: Andry iankinan’ny toekarena ny fitaterana
Notanterahina ny 13 sy 14 marsa teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny « Salon des transports et de la chaîne logistique ». Nandray anjara, tamin’izany, ny sehatry ny fitaterana an-tanety, ana habakabaka, an-dranomamy sy an-dranomasina. Manana vina sy tanjona iombonana ny mpisehatra amin’ny fitaterana tsy ankanavaka. Izany dia voafintina amin’ny hoe: […]
FANTINA sy FINTINA
Kaominina miisa 24 no namoahan’ny fitsarana didy hamerenana fifidianana amin’ny ampahany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo. Tsy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany izany. Hatramin’izao, tsy mbola misy didim-panjakana miantso mpifidy hamerenana fifidianana. ”Raha ianareo no manaiky ho vidian’ny olona vola 150 000 Ar […]
Famerenana fifidianana : “Miankina amin’ny finiavan’ny fanjakana”
“Tsy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ihany no haverina ny fifidianana, fa misy maromaro. Miankina ny finiavana sy ny fahafaha-manaon’ny fanjakana io.” Izay ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, tany Morondava, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny famerenana fifidianana kaominaly amin’ny ampahany. Raha ny fanazavan’ny Ceni, tsy […]




