Mois : mars 2026

Trail d’Ibity andiany faha-10 : Hanangonam-bola ho an’ireo ankizy sahirana

Hotanterahina any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, ao Ibity, ny 19 avrily ho avy izao, ny fifaninanana hazakazaka mi­tety vohitra sy natiora, “Trail d’Ibity” andiany fahafolo. Toy ny tamin’ny taona lasa ihany, natao hanangonam-bola ho­mena ireo ankizy sahirana ara-tsakafo ny hetsika. Araka ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra, mpandray anjara 1 500 eo […]

Cie Théâtre Bazar : Hitondra an-tsehatra ny « Bouches cousues »

Eny, teny frantsay ny lohateny ary amin’ny teny frantsay ny tantara…Maneho ny zava-misy marina eto Madaga­si­kara anefa ilay piesy « Bou­ches cousues », nontontosain’i Filip Auchère. Haseho etsy amin’ny IFM Anakalely izany, rahampitso 14 marsa, amin’ny 3 ora tolakandro. Farimbon-talenta fanta-daza eo amin’ny sehatry ny teatra maoderina, satria dia i Gad Bensalem […]

Lamina voajanahary no arahina: Fomba fa tsy finoana ny « Taombaovao Malagasy »

Andro voalohany amin’ny volana voalohany amin’ny taona. Tsy ananan’ny firenen-kafa ny fahalalana nentin’ny Malagasy namantatra izany. Niavaka ihany koa ny fomba notanterahiny isaky ny mandalo io fotoana io. Ny anaran’ny volana no niova nanaraka ny vanim-potoana fa ny tononandro, iray ihany no nambarany. Fahiny, nantsoina tamin’ny « papangolahy lava elatra », « andriamboromahery », […]

VAOVAO TAMBATRA

Mampitandrina ireo mpandraharaha ara-barotra mba tsy ho alaim-panahy hampakatra amin’ny tsy antony ny vidin’entana eny an-tsena ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana. Manentana ny mpivarotra hametraka ny vidin’entana ho talaky maso, araka izany, ny tomponandraikitra mba hisorohana ny fanararaotana. Nojerena akaiky tamin’izany ny vidin’entana eny amin’ireo mpamongady sy mpaninjara samihafa. […]

Toamasina : Niravona ny disadisa tao amin’ny SMMC

Tsy nanaiky ny fanendrena ny tale jeneraly vaovao, ao amin’ny orinasa SMMC Toa­masina, Hanjatiana Cadet En­dor, nandimby an-dRan­dria­misaina Charles, ny mpiasa, teo aloha teo. Niravona izany, ankehitriny, taorian’ny fanelanelanana nataon’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena (VPan), Fidele Razara Pierre. Resy lahatra amin’ny 65% ny vahaolana noraisina ny mpiasa. Nilaza ny tale […]