Hanofana ny tanora hahay hampiasa ny niomerika sy ny faharanitantsaina artifisialy (IA) mba hampiasany izany amin’ny sehatry ny fampianarana sy eo amin’ny ny tontolon’ny asa. Io ny tanjona apetraky ny fandaharanasa Tanora Now, ataon’ny Yas Madagascar sy ny ONG Idea Academy eny anivon’ireo Oniversite manerana ny Nosy. Kendrena manokana ny […]
Mois : mars 2026
SNFI-DD : Paikady hitondra fampandrosoana maharitra
Apetraka ny Paikady nasionaly ho famatsiam-bola hisian’ny fampandrosoana maharitra (SNFI-DD). Karohina ny loharanom-bola rehetra hanatanterahana ny laharam-pahamehana eto an-toerana sy ny tanjon’ny ONU. Natao omaly, ny atrikasa mifantoka amin’ny handrafetana ny Paikady nasionaly ho famatsiam-bola hisian’ny fampandrosoana maharitra (SNFI-DD). Miahy azy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola miaraka amin’ny Rafitry […]
Dokera sady mpanendaka: Lehilahy roa tratra nangalatra tongolo
Nidoboka vonjimaika eny amin’ny fonjan’Avaradrano ny roa lahy tratra nangalatra tongolo iray gony teny Talata Volonondry, ny talata lasa teo. Voasambotry ny zandarimariam-pirenena miasa ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry, ny talata 10 marsa 2026 lasa teo izy ireo. Voarohirohy sy tratra nangalatra entan’olona tongolo iray gony tao an-tsena. Andron’ny tsena […]
Anatihazo Isotry : Roa vavy tratra nangarom-paosy
Voasambotry ny polisim-pirenena tetsy Anatihazo Isotry ny vehivavy miisa roa, ny alakamisy 12 marsa 2026, maraina. Tratra nangarom-paosy nanoloana ny Fiangonana katolika iray eny an-toerana izy ireo. Miasa mangarom-paosy ireto farany ary ireo mirava avy mivavaka no tena kendreny. Miandry eny amin’ny manodidina ny fiangonana izy ireo, mitily olona mirava […]
Olona iray notanana eny amin’ny zandary : Mpamily hita faty nokendaina tanatin’ny fiara nentiny
Nahitana fatin-dehilahy iray tao anaty fiara mpitatitra entana, tetsy Miadana Alasora, omaly maraina. Nahitana mangana ny tendany, ary ahina ho nokendaina ny nahafaty azy. Olona iray notanana sy miatrika fanadihadiana eny amin’ny zandary. Lehilahy iray, 42 taona, hita faty tao anaty fiara Hyundai camionnette miloko fotsy, tetsy Antanety, fokontany Miadana, […]




