Mois : mars 2026

Soatoavina sy ny 8 marsa : Manome hasina ny vehivavy ny Malagasy

8 marsa, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy », araka ny tapaka teo anivon’ny Firenena mikambana ny taona 1977. Nanom­boka teo, hevi-diso maro no nahely… Saika niainga avy any ivelany ny ankamaroan’ireny. Taitra sy nampiaka-peo ny vehivavy eto Madagasi­kara. Raikitra ny fitakiana fitovian-jo amin’ny lehilahy. Teo amin’ny sehatry ny asa, nodradradradraina […]

Tarika AmbondronA – 25 taona: Hatrany amin’ny 2027 ny fankalazana

Tsy vita anatin’ny herintaona… Hotohizana hatramin’ny 2027 mba hahafahan’ny tarika AmbondronA miverina amin’ireo toerana efa nanaovany seho, ny fankalazana ny 25 taona an-tsehatra. Hiverenena avokoa ireo faritra nanamarika ny tarika. Vaovaon’ny tarika AmbondronA, omaly. Saika ireo tanàn-dehibe manerana an’i Madagasikara izany, ankoatra ny any amin’ny faritra Sava sy Fort-Dauphin, noho […]

Fiaraha-miasa : Hamaha ny olan’ny herinaratra ny Japoney

Nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Chris­tine, fa zava-dehibe ny lanonana fanaovan-tsonia fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana japoney, omaly, teo anivon’ny minisitera. Miom­pana amin’ny famatsiam-bola 68 miliara Ar izany. « Mitondra vahaolana amin’ny ampahany ny olana nitarainan’ny vahoaka izany. Anisan’izany ny olan’ny herinaratra ka anisan’ny hisitraka izany ny ao Toamasina », hoy izy. […]

INDRAY MIJERY

49% ny vehivavy manambady eo anelanelan’ ny 15 taona hatramin’ny 49 taona ihany no fantatra fa mampiasa ny fomba fandrindram-piterahana. Mbola maro, araka izany, ireo tsy resy lahatra na tsy mahafantatra tsara ny tombony azo amin’ny fampiasana azy ireny. Efa mihamaro kosa ny tanora mazoto miaro tena tonga manatona tobim-pahasalamana. […]

Lalam-piofanana momba ny rano : Nosokafana ny taom-pianarana vaovao

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny taom-pianarana vaovao ho an’ny lalam-piofanana fitantanana sy fanodinana ny rano (Master), sy ny lalam-piofa­nana rano sy angovo (Licence). Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Defi eau, vatsian’ny Von­drona eoropeanina vola ny tetikasa, miaraka amin’ny Eras­mus. Toeram-piofanana ambony sy Oniversite miisa 5 no handray ireo […]