Mois : mars 2026

Arivonimamo : Telo andro anaty lanonana

Nampitondraina ny lohahevitra « Zanak’Imamo mifety » ny lanonana hateloana hanamarihana ny fetin’ny Paka any Arivonimamo. Sabotsy 4 avrily, alahady 5 avrily, ary ny Alatsinain’ny Paka 2026 ho avy izao, miraka amin’ny Fikambanana zanak’Imamo. Sabotsy 4 avrily, filaharambe mitety tanàna, manomboka amin’ny 7 ora maraina, andraisan’ny vahoakan’Arivonimamo tsy ankanavaka anjara. Arahina fifaninanana […]

Fampivelarana ny maha Malagasy: Tontosaina any Paris ny « Soratononina 2026 »

23 taona aty aoriana… Mitohy hatrany ny fifaninanana « Soratononina » karakarain’ny fikambanana Kolo Malagasy. Ny lohahevitra no miovaova fa ny tanjona voatazona hatrany. Anio 28 marsa, ao amin’ny Institut national des langues et civilisations orientales Inalco – Paris 13e , no hanatanterahina ny «Sora­tononina 2026». Ahitana ny sokajy I, ho an’ireo […]

VAOVAO TAMBATRA

Hitohy ny talata 31 marsa, eny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Maha­masina, ny dinika fakan-kevitra ataon’ny Banky foiben’i Mada­gasikara mahakasika ny hoavin’ny vola malagasy. Mi­antso ny rehetra hamonjy ny fihaonana ny BFM handraisana ny hevitry ny maro hanatsarana sy hampivoarana ny Ariary, ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Mitentina […]

Tetikasa « Vehivavy Mijoro »: Seha-pihariana karazany telo hahavelon-tena

Nampahafantarin’ny Sipem banky, ny 26 marsa teo, ny tetikasa « Vehivavy mijoro », hanohanana ny vehivavy marefo. Tanjona ny ha­hafahan’izy ireo miarina amin’ ny fiainana sy hahaleo tena ara-pihariana. Miisa 15 ireo vehivavy nosafidina amin’ity andiany voalohany ity. Seha-pihariana telo nosafidiana hampiofanana azy ireo, ny zaitra (Eccova), ny taovolo (Ipac), ny nahandro […]

Televiziona-StarTimes : Tolotra manokana ho an’ny mpanjifa

Manome tolotra manokana ny StarTimes amin’izao antomotra ny fetin’ny Paka izao. Misy ny fihenam-bidy omeny ny mpanjifa. Nohazavain-dRamatoa Florence Zhu, tale ara-barotry ny StarTimes, fa tsotra, haingana ary ahazoana tombontsoa maro, mifanandrify arakaraka ny fahefa-mividin’ny tsirairay ny tolotra omena. Tanjona ny hahazoan’ny mpanjifa karazana fandaharana maro samihafa. Misy karazany telo […]