Mois : mars 2026

« Elect’Echo » : Hitondra ny feon’ny vehivavy sy ireo sembana

Haharitra 12 volana ny tetikasa «Elect’echo» tanterahin’ny Coalition des radio ho an’ny eto Madagasikara. Hampita hafatra amin’ny alalan’ny fandaharana samihafa vokariny ny onjam-peo sivy mpiara-miasa. Tanjona ny hampiely feo momba ny fampahafantarana ny andraikitry ny olom-boafidy sy olom-boatendry ny tamberin’andraikitra sy ny zo sy adidin’ny olom-pirenena eto amintsika, araka ny […]

« Rallye mathématiques », andiany faha-22: Nitombo ny isan’ny sekoly nandray anjara

Notanterahina teny amin’ny Lycée français Ambatobe, omaly, ny dingana famaranana ho an’ny fifaninanana atao isan-taona, « Rallye mathématiques » andiany faha-22, eny anivon’ny sekoly manerana ny Nosy. «Natao ny volana desambra 2025 ny fifanintsanana teny amin’ny sekoly tsirairay mandray anjara, narahin’ny fifaninanana teny amin’ny faritra, ny volana janoary. Sekoly sivy […]

TARATRY ny KANTO

Misokatra ho an’ny besinimaro ny Mozean’ny Tolom-panafahana 29 marsa 1947 ao Moramanga. Toy ny isan-taona, haranty ao ireo vakoka mirakitra ny tantara tsy hay kosehina, hampitana ny fanilo sy ny tantaran’i Madagasikara ho an’ny taranaka. Ilain’ireo mpianatra, mpampianatra na olon-tsotra liana amin’ny tantara ny fampirantiana. « Fanavaozana ny fitiavan-tanindrazana » no lohahevitry […]