«Voha vavahady ho eo an-tokotanin’ny sarimihetsika». Io indray ny lohahevitry ny zara haizatra am-pamoloana, izay hotontosaina anio amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Efitrano Dox, Tranombokimpirenena Anosy. Hitarika ny dinidinika mandritra izany i Mina Ilarion, mpanoratra tantara sy manana traikefa amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Araka ny anaran’ny hetsika rahateo, natao […]
Mois : mars 2026
Fampianarana – Kolontsaina : Mila ovaina ifotony ny taranja malagasy sy tantara
Iray amin’ireo seha-panabeazana mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny hoavin’ny tsirairay sy ny firenena manontolo ny fampianarana. Taranja maro no ianarana any an-tsekoly. Hatramin’ izao, mbola tsy tena hita soritra mivaingana ny fiantraikan’ny fahaizana an-taratasy ireny taranja ireny, raha ho an’ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora malagasy sy […]
Fampivelarana ny kanto: Hitombo ireo mpampianatra valiha
Fantatra ny faran’ny herinandro teo fa mpianatra valiha 7 mianadahy no handray ny laharan’ny mpampianatra. Nianatra nandritra ny telo taona izy ireo. Ny roa taona nandalinana taranja fototra (solfezy, tantara, valiha sy ny fitendrena azy, fomba sy ny fifamatorany amin’ny valiha…). Ny taona fahatelo, nandalina sy nikaroka. Voka-pikarohana mafonja no […]
« International Catering Cup 2027 » : Fantatra ny ekipa malagasy hifaninana
Ekipa roa no nifanandrina tamin’ny dingana famaranana. Ny iray tamin’ireo no naharesy lahatra, ka hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fifaninanana hainahandro iraisam-pirenena, « International Catering Cup 2027 ». Ny Chef Herizo Jiair Rakotoniana eo amin’ny hainahandro, ary ny Cheffe Onja Feno Ramanantsoa eo amin’ny « pâtisserie ». Izy mianadahy ireto no nandrafitra ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 191 ny tafo natolotry ny vondron’ny mpanondrana drakaka ho an’ireo mpiara-belona voakasiky ny rivodoza nifasesy, tany Mahajanga sy Toamasina. Tolo-tanana nataon’ny sehatra tsy miankina ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana sy ho fanohanana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara izany. Hanaraka fiofanana mifantoka amin’ny fahazoana traikefa mandritra ny roa volana ireo […]




