Mois : mars 2026

Fandraharahana: Hamoraina ny fandoavan-ketra

Tosika amin’ny fampandrosoana ny fandraharahana ny fidirana amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Hifanolo-tanana ny foibe fitantanana ny hetra (DGI) sy ny kabinetra NR Consult hanamorana ny fandoavan-ketra. Vita sonia omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny foibe fitantanana ny hetra (DGI) sy ny NR Consult. Tanjona ny hananganana rafitra ara-toekarena mafy sy matanjaka […]

FANTINA sy FINTINA

Lasa nihazo an’ i Guinée Équatoriale, omaly, ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Tafiditra amin’ny fitadiavam-bahaolana hanalana tsikelikely ireo sazy mihatra amin’i Madagasikara eo anivon’ny Vondrona afrikanina izany, araka ny fampitam-baovao. Hihaona amin’ny filohan’i Guinée sy ny filoha Afrikanina hafa izy amin’izany. Miarahaba sy mirary fahombiazana ireo mpikamban’ny governemanta vaovao […]

Fiarahamonimpirenena : « Hiaro ny Tetezamita tsara tantana isika »

Nambaran’ireo fiarahamonimpirenena fa hanatanteraka dinika misokatra, tsy manavaka ny rehetra izy ireo. Anisan’­ izany ny tanora, ny vehivavy, ireo manana fahasembanana, ny mpisehatra eny ambanivohitra. Mitarika izany ny komity ahitana fikambanana sy sehatra miisa 30 avy amin’ny fiarahamonimpirenena. « Mijoro ho mpandray andraikitra mavitrika sy miaro ny Tetezamita tsara tantana, tsy […]

Asa haingana mivaingana

  Ela no niandrasana ny fijoroan’ny governemanta? Nanantena fanovana sy fanavaozana ny rehetra… Lalàn-javatra, misy ny tonga tamin’izay nampoizina, ao ny tsy hita be ihany na diso fanantenana aza. Arakaraka ny toerana misy ny tsirairay izay, na izay heverina sy kendreny amin’izany, Na izany aza, mila asa haingana sy mivaingana […]

Fahaverezan’ny vola 3 811 miliara Ar : Miroso amin’ny fanenjehana ny fitsarana momba ny kaonty

Nahabe resaka tato ho ato ny amin’ny volam-panjakana 3 811 miliara Ar very. Tsy mipetra-potsiny amin’izao ny fitsarana momba ny kaonty nanao ny tatitra. Irosoana ny fanaovana fanenjehana fandikan-dalàna. Mahatratra 3 811 miliara Ar ny vola very amin’ ny kitapombolam-panjakana, araka ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty, taona 2025, teny […]