Mois : mars 2026

KMF/Cnoe : “Fahadisoana bevava ny fandravana ny Ceni”

“Tsy mety ny fandravana ny Ceni. Hanimba zavatra be dia be…”. Izay ny valin-tenin’ ny filoha lefitra nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Rabekijana Félix, teny Antanimena, ny faran’ny herinandro teo, ma­noloana ny fitakian’ny fiarahamonina sivily sasany toy ny Hetsika Rohy ny tokony hanafoanana ny Ceni amin’ny fikarakarana fifidianana. Efa dingana vita […]

Mbola matanjaka ny Antoko AVI : Vonona hampandroso an’i Madagasikara

Nampahafantarina tetsy Antsahavola ny faran’ny herinandro teo ny fijoroan’ny tanoran’ny antoko Avi eny amin’ny boriborintany fahenina. Mivonona amin’ny fifidianana izy ireo. Nambaran’ny filoha na­sionalin’ny Avi, Andria­miharivolamena Zava­manitra fa nanana ny tanjany sy ny heriny ny antoko. Ani­san’izany ny fananana olom-boa­fidy maro, toy ny depiote, ben’ny Tanàna, mpanolotsaina, loholona. Efa nitantanana […]

Fotoana izao…

  Tena mila fanovana ny firenena? Na rafitra, na lalàna, na olona, na fomba fiasa… Tsy misy mpanohitra izany fa mpanohariana, raha ny nambaran’ny Praiminisitra vaovao. Iza tokoa no ndeha hanohitra fanavaozana? Fana­tsarana ho amin’ny mety sy tsara ary mahasoa kokoa no ho ny teo aloha… Lanja miakatra ny fiainana! […]

By-pass : Vehivavy iray maty voadonan’ny fiara

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tetsy By-Pass, omaly alina, tamin’ny 7 ora. Vehivavy tokony ho 30 taona, nandeha tongotra no voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana marika Toyota, « plaque rouge » ary miloko fotsy. Niseho teny akaikin’ny espace Yandy By-pass ny loza. Avy any Iavoloha, hihazo an’Ambohimanambola ilay fiara, raha ny fahitan’ny olona nanatri-maso […]