Fiba 3×3 Hengqin: Laharana faha-13 ny Ankoay Madagasikara

Fandresena iray sy faharesena iray no azon’ny Malagasy, nandritra ny fiadiana ny Hengqin Challenger 2026, taranja basikety lalaovina olona 3. Laharana faha-13 tamin’ny 16 nifaninana ny Ankoay.

Nifarana omaly tao amin’ny kianja mitafon’ny Hengoin Cultural and Art Center, Chine, ny fiadiana ny Fiba 3×3 Hengqin Chal­lenger 2026. Teo ho eo ny vokatra azon’ny Ankoay Ma­da­gasikara, izay nitondra ny anarana Antananarivo, tamin’ity. Laharana faha-13 tamin’ireo ekipa 16 nandray anjara ny Malagasy. Raha tsiahivina, fandresena iray sy faharesena iray no azon’izy ireo, tao amin’ny sokajy “A”. Tsy nahafahan’ny ekipan’Antananarivo, niatrika ny ampahefa-dalana iza­ny voka-dalao azony izany.
Nandresy an’ny Mac Pe­nin­sula tamin’ny isa 21 no ho 14 teo amin’ny lalao voalohany avy eo niondrika teo anatrehan’ny Amsterdam, tamin’ny isa 21 no ho 10. Ams­ter­dam no tafavoaka tao amin’ity vondrona nisy ny Ankoay (Antananrivo) ity satria nahazo fandresena indroa. Tsia­hivina fa niaro ny voninahi-pirenena tamin’ity, ry Livio sy Hasina, ary Anthony, niampy an’i Elly sy i Marco ary i Kanto. Nandrombaka ny laharana voalohany, tamin’ity ry zareo Skyliners (Rainiboto), faharoa i Serbie ary fahatelo mbola alemà, tamin’ny alalan’ny Baskets Bonn. Fahefatra i De Qing (Chine) raha notazomin-dry zareo frantsay ny toerana fahadimy sy fahenina dia ny tanànan’i Bordeaux sy i Toulouse. Fahafito, i Serbie nitondra ny anaran’ny Crvena Zvezda ary fahavalo Kavanda narahin’i Japon na Shinjuku. Fahafolo, i Hangzhou nentin’i Chine. Faha-11, Espagne nitondra ny tananan’i Fuen­girola. Tany amin’ny faha-12 i Amsterdam, firenena niray sokajy tamin’Antananarivo. Tao­rian’i Madagasikara, i Hen­gqin, mpampiantrano ary faha-15 Mac Peninsula. Nita­na ny rambony HK Central (Hong-Kong).

Tompondaka

Partager sur: