Mois : avril 2026

TSELATRA

Voasambotry ny polisim-pirenena nanomboka ny 11 avrily lasa teo, avokoa ireo jiolahy miisa enina. Nanafika sy niditra an-keriny tao amin’ny hotely iray tany Toamasina, ny 9 febroary 2026 lasa teo. Lasan’izy ireo tamin’izany, ny finday marika iPhone 8 Plus iray, solosaina, vola, firavaka volamena sy ny entana hafa. Naka sary […]

Tranombarotra iray voatafika : Lasan’ireo jiolahy ny vola 150 tapitrisa Ariary

Notafihin’ny jiolahy indray ny trano fivarotana piesy sy kojakojana bisikileta iray tany Mangarivotra Avaratra, parcelle 11/11, Toamasina I, omaly maraina tokony tamin’ny 6 ora sy sasany. Jiolahy miisa telo, mirongo basy no niditra an-keriny tao an-tsena. Nandeha moto ary tsy nisy nisaron-tava izy ireo tamin’ny fotoana nanaovan’izy ireo ny asa […]

Sakoroka teo Behoririka: Nitokona ny mpivarotra, mpanao gazety roa naratra

Nitokona ny mpivarotra teo Behoririka, omaly. Mitsipaka ny fandaminana izy ireo. Nisy mpanao gazety mianadahy, niharan’ny herisetra nandritra ny hetsika. Niharan’ny herisetra na­taon’ireo mpivarotra nanao fitokonana teny Behoririka, naratra ny mpanao gazety mianadahy, omaly maraina. Nanatanteraka ny asany teny an-kianja amin’ny maha mpanangom-baovao azy ireo mpiasa amina haino vaky jery […]

Karate-Seminera: Homena traikefa ireo “cadres”

Ho fanatsarana ny lafiny fanazarana, fitsarana ary fitantanana, mikarakara seminera ny eo anivon’ny federasionina ny Karate-do Mala­gasy. Seminera natokana ho an’ny mpitantana, mpitsara ary mpanazatra izay hatao ny alahady 19 sy 26 avrily izao, araka ny fandaharam-potoana. Noho ny fahatsapana fa misy lesoka ny eo amin’ny fanazarana, fitsarana ary fitantanana […]