Miantso ireo tompon’andraikitra avy amin’ny toeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy miankina amin’ny fanjakana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika amin’ny dinika ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana. Hotanterahina ny 24 avrily izao izany eny amin’ny efitrano fivorian’ny minisitera eto Antananarivo. Solontena roa isaky ny toeram-piofanana no andrasana ka tokony handray […]
Mois : avril 2026
Sandan’ny fanaovam-baksiny: Andrasana ny didy fampiharana ny lalàna 2016-058
Nanao adisisika momba ny tetibolan’ny vaksiny ny firaisamonim-pirenena, nandritra ny telo taona. Nahitam-bokany izany ka tafakatra 23 miliara Ar izany amin’ity taona ity. Mahatratra 15 tapitrisa dolara isan-taona ny vola atokan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho an’ny vaksiny. Vola avy amin’ny fanjakana ny 5 tapitrisa dolara ary omen’ny mpiray ombon’antoka kosa ny […]
TARATRY ny KANTO
Tsy mbola resy lahatra amin’ny fianarana zavakanto ny Malagasy. Matetika, mijanona hatreo amin’ny fananana talenta ny Malagasy. « Mahay » no iantsoany ny olona afaka mamorona, mitendry, mandihy, mihira, sns, ka mahadona ny fony. Rehefa mikarantsana ny feom-baliha mihira ny « Mandihiza Rahitsikitsika », midika izay fa « mahay » ilay mpitendry. Mahavariana ny vahiny amin’ny […]
Antoko mpihira : 30 taona ny “Voix de Sainte Therese” Ivato
Hosokafana ny alahady izao ao amin’ny Ekar Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, Ivato ny faha-30 taonan’ny antoko mpihira «Voix de Sainte Therese – VST». Homarihina amin’ny alalan’ny eokaristia Masina izany sady itondrana am-bavaka ny fikambanana amin’izao. Hitohy amin’ny antsam-panahy iarahana amin’ny «Voix du Carmel» Itaosy izany ny tolakandro, ao amin’ny fiangonana […]
« Tsapiky Festivaly » : Tarika maherin’ny 40, roa andro tsy ankiato
Misomebiseby i Toliara. Ela no niandrasana ny hetsika «Tsapiky Festivaly », anio sy rahampitso. Sambany ! Tsy mbola nisy hetsika lehibe toa ity teto Toliara, hoy ny nambaran’ireo tomponandraikitra. Rariny raha goavana, satria natao hanolorana amin’ ny fomba ofisialy ny maha harembakoka tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona eo anivon’ny Unesco, ny […]




