Tetsy amin’ny “Lycée Moderne” Ampefiloha no nanatanteraka ny fananganan-tsaina omaly ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Notolorana fankasitrahana ireo mpianatra miisa 50 izay nandray anjara feno tamin’ny fankalazana ny fahatsiarovana ny 29 marsa 1947. Nihaino ny hetahetan’ny mpampianatra sy mpandraharaha ao amin’ity sekoly ity ihany koa ny minisitra ary nanolotra “vidéo-projecteur” miisa […]
Mois : avril 2026
Hazandranomasina : Tsara ho fantatra ireo trondro manapoizina
Mampahatsiahy ny minisitry ny Jono ny amin’ny tsy tokony hihinanana ireo karazana hazandranomasina mihinana lomotra misy poizina rehefa vanim-potoana mafana toy izao. Raha ohanina izy ireny dia manapoizina avy hatrany ny olona mihinana azy ihany koa ary mety hitarika amin’ny fahafatesana raha tsy voavonjy haingana. Maromaro ny tranga niseho tato […]
Mpiasam-panjakana : Mandeha ny fandraisana mpampianatra
Namoaka naoty momba ny fizarana ny didy fanendrena sy fifanarahana arakasa ho an’ireo nahavita fiofanana ENS ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Voafantina araka ny naoty laharana – 2026/124-Men/SG tamin’ny 12 febroary 2026 izy ireo. Ireo manana ny Capen dia hatao ny zoma 17 avrily izao ho an’ny ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. […]
Fahasalamam-bahoaka : Afaka misitraka vaksinin’ny Mpox ny olon-drehetra
Manomboka ny fizarana maimaimpoana ny vaksiny hiarovana amin’ny Mpox. Afaka misitraka izany avokoa ny vahoaka malagasy rehetra. Malalaka, atao an-tsitrapo ny fanaovana izany. Nosantarina tany amin’ny hopitalibe CHRR Farafangana ny fanaovana vaksiny faobe maimaimpoana ho an’ny daholobe, hiadiana amin’ny aretina mpox. Ezaka lehibe ataon’ny fanjakana ho fisorohana sy fanakanana ny […]
Kianja Barea : Ho tsaroana ny sehon’i Gazo sy La Fouine
«Izahay tao! ». Afaka mirehareha any aoriana any ireo tanora marobe, tonga nanatrika ny fampisehoana nataon’i Gazo sy La Fouine tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Tsy latsaky ny 15 000 isa izy ireo no tonga nanatri-maso ireto mpanakanto malaza maneran-tany ireto. Hafanana efa niainany ny an’i La Fouine, izay efa teto tamin’ny […]




