Mois : avril 2026

Isoraka sy ny manodidina : Ahena ny ambana amin’ny loza mety hitranga

Nampiantso fivoriana maika, nidina ifotony teny amin’ny Rue de la Russie, Isoraka ny BNGRC niaraka tamin’ny ekipany nijery ny loza mitatao sy manambana eny an-toerana. Efa nisy ny fitarainana avy amin’ny mponina mahakasika ny fihotsahana mety hitera-doza ka nandraisana fanapahan-kevitra ny fijerena akaiky ny tranga. Tsikaritra taorian’ny fidinana ifotony fa […]

Faritra Anosy: 4 500 ny fianakaviana marefo notohanana

Nanatanteraka fidinana ifotony, tany amin’ny faritra Anosy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, notarihin-dRakotoniaina Voahanginirina Cathia. Nisy ny fijerena akaiky ny toe-piainan’ny mponina. Nampanantena ny ho fanatsarana izany izy nandritra ny lahateny izay nataony ny faran’ny herinandro lasa teo. Fianakaviana marefo maherin’ny 4 500 tao amin’ny kaominina Ankariera, […]

Fampianarana : Manomboka ny roa volana farany hanomanana ny fanadinana

Miditra amin’ny ampaham-potoana farany hoentina miatrika fanadinana ny mpianatra, eto Madagasikara, manomboka anio. Mitaky ezaka sy fiomanana mafy izany. Miverina an-dakilasy, manomboka anio, ny mpianatra amin’ny se­kolim-panjakana sy ny tsy miankina rehefa nahavita ny fialan-tsasatry ny Paska. Mi­ditra amin’ny roa volana fahadimy mamarana ny taom-pianarana izy ireo. Fanaovana famerenana ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Feno 90 taona ny 10 avrily teo ny zotran-dalamby FCE, mampitohy an’i Fianarantsoa sy i Manakara. Notsindrian’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Andrianavalona Herizo, nandritra ny fankalazana tany Fianarantsoa, fa hatao laharam-pahamehana ny fanarenana ireo fotodrafitrasa, hanomezana aina vao ny FCE. Faritra roa, Ma­tsiatra Ambony sy Fitovinany […]