Mois : avril 2026

TSELATRA

Mirongatra ny fahitana fatin-jazakely menavava tato ho ato. Zaza vao teraka indray no nisy nanary tetsy Ambaniatsimo Tanjombato, omaly. Nataon’ireo tsy mataho-tody tao anaty harona plastika ilay zaza izay efa tsy nisy aina intsony. Nampandrenesina mahakasika ny tranga ny mpitandro filaminana eny an-toerana. Manodidina ny 40 ireo kodiaran-droa (moto sy […]

Telo lahy nandroba Cash point : Roa lahy niampy polisy iray voaambana basy

Nandositra avokoa ireo telo lahy nandroba mpanao Cash-point teny amin’ny fo­kontany Anatihazo-Isotry, ny harivan’ny alakamisy 9 avrily teo, tamin’ny 6 ora sy sasany. “Handeha hody izahay ary efa teo am-baravarana, kanjo no­sakanan’ny telo lahy tampoka”, hoy ny fanazavan’ny iray tamin’ireo roa lahy lasibatra. Nampiasa fitaovam-piadiana toy ny basy sy antsy […]

Nitazona dahalo: Zandary maty, latsaka tany anaty hantsana

Zandary am-perinasa iray namoy ny ainy rehefa latsaka tany anaty hantsana niaraka tamin’ny dahalo vao avy nosamborina. Tao amin’ny kaominina Fenoarivo, Ambato­finan­drahana, no nisehoan’izany omaly maraina. Nisolifatra, latsaka tany anaty hantsana, notatazan’ny vato. Maty tsy tra-drano izy sy ny dahalo iray izay nifatotra niaraka taminy. Tsy afa-nisaraka izy ireo. Amin’ny […]

Fitokonana an-dalambe : “Hitohy ny fitakiana”, hoy ny Gen Z “Voakarama ireo”, hoy ny Filoha

Nanomboka omaly ny fidinana an-dalambe ataon’ny Gen Z. Nilamina ny dia avy eny Ambohijatovo nihazo an’Analakely. Nambaran’ny Kly Randrianirina Michaël fa olona voakarama ireto manakorontana. Niverina nidina an-dalambe ny tanora Gen Z, omaly. Nifamotoana teny Ambohijatovo izy ireo. Vao maraina, efa nisy ny fitangoronana sy ny fametahana sorabaventy. Mitaky ny […]

Handball Mada Jeunes : Resin’ny HBCI ny HTHB Atsinanana

Voahaja ny lojika teo amin’ny vokatra ho an’ny lalao manasa-dalana, sokajy cadette, fiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja handball. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly. Resin’ny HBCI Ihorombe tamin’ny isa mazava, 37 no ho 12 ny HTHB Atsinanana. Tsy niady mihitsy ny lalao fa nanjaka tokana ireo mpilalaon’Ihorombe. Tombony […]