Manao antso avo hanovana ny fijery ara-toekarena ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny fanokafana ny “Ceo Summit Indian Ocean”, andiany faharoa, teny amin’ny Novotel Ivandry, omaly. Nasongadiny fa « avokavoka mampiaina sy mampandroso ny firenena ny mpandraharaha ». Nifantoka tamin’ny zava-misy sy ny olana […]
Mois : avril 2026
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho Préfet de police eto Antananarivo ny administratera sivily Andriasy Vonjy Maminjanahary. Tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha izany. Efa sefo distrikan’Ambatolampy sy Antanifotsy ny tenany nialoha izao fanendrena izao. Tsiahivina fa voafidy ho mpikamban’ny Ceni ny Préfet teo aloha, Rajafetra Setraniaina. Niavaka ny tao amin’ny minisitera […]
Antenimierampirenena: Hifanatrika ny depiote sy ny Praiminisitra
Nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimierampirenena. Hanomboka amin’ny alatsinainy izao izany. Fihaonana voalohany eo amin’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana sy ireo depiote. Anisan’ny ho tafiditra ao anatin’ny lahadinika amin’izao fihaonana izao ny hanoloran’ny Praiminisitra ny Fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana (PGE). Eo koa ny momba ny […]
Samy maka, tsy mifanambaka
Tao anatin’ny 24 ora, hita taratra fa niverina ny toetra ratsin-dRamalagasy. Malaza ho mpandala fihavanana imasom-bahoaka fa mifamotika araka izay tratra ato anatiny. Mifampitsentsitra! Mitady ny fomba rehetra hakana izay azo alaina amin’ny mpiray tanindrazana. Mahakasika ny andro voalohany sy faharoa, taorian’ny filazana ny hamehana amin’ny angovo eto Madagasikara […]
KMFP : “Tsy tokony hahamaika ny fifidianana”
Aiza ho aiza ny fanavaozana ny fanaovana politika? Tsy tokony hahamaika ny fifidianana, fa mila halamina, diovina, aloha ny tontolo politika sy ny fifidianana, raha ny fijerin’ny Komity mpanomana ny fanavaozana politika (KMFP). “Tanjona ny hampitovy hevitra ny mpanao politika, ny fiarahamonina sivily sy ny mpanao politika. Izany dia hisian’ny […]




