Mois : avril 2026

SOMBIM-BAOVAO

Nihaona tao amin’ny masoivohon’i Mada­gasikara tao Paris-France, omaly, Andriantsima Fane­va Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha sy ny minisitry ny Fanatanjahantena malagasy, Rasam­bany Alain. Nifa­nakalozana hevitra ny amin’ny fomba hanatsarana ny kianjaben’i Mahamasina, hahazoana fankatoavana ka handraisana ireo lalao hataon’ny barea ny volana septambra, oktobra ary novambra 2026. Hitohy ny faran’ity […]

Handball – Mada Jeunes : Misongadina ny HC Est

Nitohy omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja handball, sokajy zandriny, lahy sy vavy. Misongadina eo amin’ny vokatra azony ny ekipan’ny HC Est Atsimo Andrefana, sokajy junior, lehilahy. Fandresena telo misesy no azon’izy ireo ao amin’ny vondrona «B». Nandresy ny HTHB, tamin’ny isa 27 no […]

Judo-Mada 2026: Voatazon’ny Esca ny voalohany

Folo taona mahery izay, tsy mbola nisy naharombaka teo am-pelatanan’ny klioban’ny Esca ny anaram-boninahitra laharana voalohany. Azon’izy ireo indray izany nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Mada­gasikara, natao teny amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano, ny herinandro lasa teo. Vao tamin’ny andro voalohany dia efa nisongadina ny mpikatroka avy amin’ny Esca. Nana­marika ny […]

INDRAY MIJERY

Tombanana ho mafy ny Tsioka Atsimo any amin’ny morontsirak’i Atsimo Andrefana. Tombanana hahery, araka izany, ny ranomasina any amin’ny morontsirak’i Atsimo Andrefana sy Androy ary Anosy noho ny alondrano antonony avy atsimo andrefana manomboka anio ary hitohy rahampitso. Nahazo fampitandremana miloko mavo ireo faritra voalaza ireo. Nanatanteraka fitsidihana ny minisitry […]

ACSSQDA : Niofana ireo teknisianin’ny laboratoara

Mitana andraikitra lehibe ao anatin’ny rafitra nasionaly fanaraha-maso (système de surveillance) eto Madagasi­kara ny Ivontoerana misahana ny fanaraha-maso ny antoka ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo. Manoloana ny fitomboan’ny fepetra ara-barotra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ilaina ny hananan’ny laboratoara ny fahaiza-manao ara-teknika eken’ny rehetra sy ny fomba fitiliana voamarina, mifanaraka amin’ny […]