Tonga niantsona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, teo amin’ny “Quai C4” ilay sambo lehibe GSL Arcadia, mirefy 277 m. Mbola izy ihany koa no sambo lehibe voalohany nampiasa ny ampahany vaovao amin’ity fotodrafitrasa mirefy 333 m ity. Miomana handray sambo lehibe kokoa i Toamasina, amin’ny alalan’ity fotodrafitrasa ity. Tetikasa natao hanamafisana […]
Mois : avril 2026
Madagascar Airlines : Miara-miasa amin’ny kaompania Ewa
Vita sonia ny herinandro teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny kaompania Madagascar Airlines sy ny Ewa Air. Fiaraha-miasa mifantoka amin’ny fizarana “codeshare” izay ahafahan’ny kaompania malagasy mivarotra ny sidina tantanin’ny Ewa Air amin’ny code MD. Tanjona ny hanitarana ny tambajotra ana habakabaka ka hampifandray an’i Mayotte amin’Antananarivo, Antsiranana, Mahajanga ary Nosy […]
Vokatra fanondrana : Natao lavanty ny lavanilan-dRavatomanga
Natao lavanty ampahibemaso tao amin’ny efitrano fitsarana ambony ao Toamasina, ny 26 marsa teo, ny lavanilan’ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy. Vokatra tao anatina kaontenera miisa 15, nihitsoka tao amin’ny seranan-tsambo tao an-toerana. Nitarika ny hetsika ny sampandraharaha misahana ny famerenana ny harena sy vola azo amin’ny tsy rariny ho anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. […]
Tsenan’ny vola : Mivoaka ny « courbe des taux » ho an’ny Ariary
Navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) tamin’ny fomba ofisialy ny “courbe des taux de référence” ho an’ny Ariary, nandritra ny lanonana natao teny Antaninarenina. Nanamafy izany ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ireo banky enina mpandray anjara. “Ny courbe des taux dia mampiseho ny rafitry ny tahan’ny zanabola amin’ny fifanakalozana eo amin’ny banky amin’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Niara-nifety tamin’ny vahoakan’Ihosy ny Filoham-panjakana mivady, ny alatsinain’ny Paka teo. Nanolotra 40 tapitrisa Ar, nofon-kena mitam-pihavanana sy omby 10 hafa ho fanampiana ara-tsakafo izy mivady. Teo koa ny vary 25 kg sy kojakoja (PPN) ho an’ny tokantrano miisa 1 500. Nisitraka fitaovam-pianarana koa ny EPP Centre II ao Ihosy. Misy […]




