Mois : avril 2026

Fahasalamana : Nilaharana ny tolotra maimaimpoana

Andro maneran-tany momba ny fahasalamana, omaly. Notanterahina teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny hetsika mifandraika amin’izany. Fizaham-pahasalamana maimaimpoana no nentina nanamarihina io andro io ka vao maraina dia efa nilahatra ny vahoaka hisitraka izany. Nisy ny fizahana fahasalamana sy fanomezana fanafody mifandraika ny aretina voatilin’ny mpitsabo. Notilina koa ireo aretina […]

Fandaharanasan’ny Fondation Orange : Niroso amin’ny fampianarana niomerika ny EPP Ihosy

Laharam-pahamehana ho an’ny Orange Madagascar ny fanabeazana sy ny fanohanana ny ankizy hilofo amin’ny fianarana. Tetikasa roa no hampiharina manerana ny Nosy hanapariahana ny fampianarana niomerika sy hanohanana ny fiverenana an-dakilasy. Niroso tamin’ny fampianarana niomerika koa ny EPP Ihosy, ny fiandohan’ity herinandro ity, ao anatin’ny fandaharanasan’ny Fondation Orange. Notolo­rana ny […]

TARATRY ny KANTO

Omena sehatra ny rehetra. Tranga tsy fahita firy eo amin’ny tontolon’ny fiantsana tononkalo ny fanomezana sehatra hisokatra ho an’ny rehetra. « Rakotr’ainga, rakitr’ ainga », na ilay antsa malalaka hotanterahina anio, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano Dox, tranombokim-pirenena Anosy. Entanin’ny Faribolana San­dratra manokana ireo tanora te […]

Sanganasan’i Naka R. : Hokaloin’ny Feon’Analamanga

Ny sabotsy 11 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro Antsahavola, « hihira, hikalo, hivetso, hiritsoka, hiangaly amintsika ireo hira noforonin’i Naka Rabemanantsoa amin’ny endriny maha taranaka ny tarika ny Feon’Anala­manga », hoy i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra Bagasy. Nanteriny […]