Tena mahavariana ihany Ramalagasy. Tia mihinana amam-bolony loatra ka mora viraviraina. Azo lazaina ho fararanom-baovao ny eto amin’ny tanàna. Izay mivoaka avy any “babany” avokoa. Manodoka sy mahavelombolo ny zava-miseho, raha atao indray mitopy. Raha tsy mandinika lalina sy tia karokaroka aloha dia tena mihevitra hoe “milay ilay tanàna”, […]
Mois : avril 2026
Fitantanana eny ifotony: Efa mitily ireo mety ho sefo fokontany ny distrika
Efa manomboka mijery ireo olona hofidina ho sefo fokontany ireo Préfet sy lehiben’ny distrika amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny minisitry ny Atitany, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray, afakomaly, tetsy Anosy. Nambarany fa hirosoana tsy ho ela ny fanendrena ireo ho mpitantana eny anivon’ny fokontany. Nomena fahefana manokana ho amin’ny fanendrena azy […]
TSELATRA
Raim-pianakaviana iray 57 taona mipetraka any Andramasina no voasoloky vola 7 hetsy Ariary. Naharay hafatra tamin’ny finday izy ny 15 avrily lasa teo. Anisan’ny nahazo tosika fameno 20 tapitrisa Ariary izy ary nantsoiny ilay laharana. Notakin’ilay olona 2 000 Ar sy 6 alina Ariary tany am-boalohany. Niitatra izany ka lasa tafakatra […]
Nampandositra mpamono olona : Roa lahy misazy 9 volana an-tranomaizina
Raim-pianakaviana iray sy olona iray hafa voasazy higadra 9 volana an-tranomaizina, tao Tsiroanomandidy, afakomaly. Voaheloka noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fampandosirana lehilahy iray nahafaty olona tao amin’ny fokontany Ambohibary Kofay, kaominina Fihaonana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ireo olona roa ireo. Nitrangana vono olona tao amin’io fokontany io, ny alin’ny alakamisy 24 jolay […]
Halatra kaontera : Olona valo voasambotry ny polisy
Olona valo, nahitana lehilahy enina sy vehivavy roa, voasambotry ny polisy teo anelanelan’ny 17 sy 22 avrily 2026. Voarohirohy amin’ny resaka halatra sy fivarotana kaontera jiro mora sy fisandohana ho mpiasan’ny Jirama izy ireo. Naharay fitarainana maro mahakasika ny halatra sy ny fisian’ireo tambajotra mitety tokantrano mangalatra kaonterana Jirama eny […]




