Mois : avril 2026

Babai Lugu sy Alala Katsakatsa : Hizara « Nofy adala » etsy Antsahamanitra

Mozika mikoriana avy any anaty, manatona ny fototra aty an-tanindrazana. Nofy hotanterahina miaraka amin’i Bolo sy ireo mpankafy an’i Babai Lugu sy ny tariny. «Faly be foana mandalo an-tanindrazana». Naverimberin’i Babai Lugu io, omaly, nandritra ny fi­haonany tamin’ny mpanao ga­zety tetsy amin’ny Yas Anala­kely. Efa andro ma­romaro no eto ity […]

Course de côte : Hatao eny Mahitsy ny dingana voalohany

Hotanterahina ny alahady ho avy izao, eny Mahitsy, ny dingana voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny «course de côte», andiany fahatelo, iarahana amin’ny Liquimoly, amin’ny taranja mekanika. Fifaninanana karakarain’ny klioba MSA, eo ambany fiahian’ny Federation sport-automobile de Mada­gascar (FSAM). Tanterahina amin’ny fiakarana miainga eo Mahitsy mihazo an’Antanetibe Mahazaza izany. Mirefy 2,3 km […]

Basikety-Tanà Ville : Hiditra amin’ny fama­ra­nana ny sokajy U14

Efa mamaramparana ny fifaninanana amin’izao ny eo anivon’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety. Ny faran’ity herinandro ity no hanatanterahina ny famaranana fihodinana voalohany, ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona, lahy sy vavy. Raha ny fandaharam-potoana, ny ekipan’ny AST sy NBE no hifanandrina eo amin’izay famaranana izay, eo amin’ny vehivavy, […]

“Pureplay Football League”; Nomontsanin’ny Disciples FC 5 no ho 1 ny Antimo Record

Voahaja ny lojika eo amin’ny andro faha-13 hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Lavon’ny Disciples FC Vakinankaratra ny Antimo Record. Mbola mitarika ao amin’ny kaonferansy atsimo, araka izany, ny Disciples FC. Nitohy omaly alarobia, tany amin’ny Kianja Velodrome Antsirabe, ny andro faha-13 amin’ny fifanintsanana […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 6 500 indray ny kilaon’ny tongolobe eny amin’ny tsenan’Andravoahangy. Nambaran’ireo mpivarotra fa ao anatin’ny vanim-potoana tsy fisian’ny vokatra izao. Avy any Ambatomanoina sy Mampikony ary Morondava no tena mamatsy an’Antananarivo. Efa nahatratra 8 000 Ar ny kilaon’ny tonglobe tamin’ny taona 2025 amin’ny vanim-potoana toy izao. Tafakatra 3 000 Ar ihany koa […]