Mois : avril 2026

Tetikasa Decim, Toamasina II – StarTimes: Nanolotra jiro avy amin’ny masoandro 1 200

Napetraka ny tetikasa Decim, famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, asa vonjy taitra, hanampiana ireo traboina, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Ge­zani tany Toamasina farany teo. Miahy azy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) sy ny ao amin’ny Fampiroboroboana ny niomerika, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT). Nambaran’ny talen’ny Varotra StarTimes, […]

Fampandrosoana: Vonona hanohana i Frantsa

Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Frantsa ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Raharimanjato Ny Riana Nampoina, sy ny masoivoho frantsay miasa eto Madagasikara, Arnaud Guillois, omaly. Voaresaka manokana tamin’izany ireo tetikasa goavana toy […]

Sehatra tsy miankina : Fitakiana hamerana ny karama farany ambany ho 360 000Ar

Andrasana amin’ity herinandro ity ny fanapahan-kevitry ny Fivondronan’ny orinasa eto Madagasikara (Gem) sy ny Fivondronan’ny Mpandraharaha malagasy (Fiv.mpa.ma) momba ny famerana ny karama farany ambany ho an’ny sehatra tsy miankina. Anatin’ny fifanakalozan-kevitra amin’izao fotoana ny sendikan’ny mpiasa sy ny solontenan’ny mpampiasa momba ny famerana ny karama farany ambany amin’ny fandraisana […]

FANTINA sy FINTINA

Ramboarivelo Andrianantenaina Jocelyn Willy no depiote ho an’́ny boriborintany fahatelo, Antana­narivo Renivohitra, araka ny fanapahan’ny HCC, omaly. Anton’izany ny nanendrena ny solombavambahoaka teo aloha, Ralambomanana Feno, ho PDS Anta­nanarivo Renivohitra, manomboka izao. Mila mitambatra ireo rehetra niara-nitolona mba tsy ho voazara noho ny tombontsoa, araka ny nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny […]

MFM : “Tokony haroso ny fikaonandoham-pirenena”

“Maniry aho ny handrosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena. Heverina fa tokony hanomboka amin’ny faramparan’ny volana mey izany”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpiara-mitantana eo ani­von’ny antoko MFM, Randria­nirina Jean-Ignace, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Efa ela ny MFM no niteny hoe: maninona no atao mitarazoka toy izao ny fikaonandoham-pirenena? Misy olana ve, […]