Mois : avril 2026

T.Love andiany faharoa : Lasan’i Nasandratra sy i Harinala ny amboara

Tafiditra amin’ny andiany faharoa ny fifaninanana « T.Love », hitiliana izay manan-talenta amin’ny filalaovana tantara faheno amin’ny Radio (Tantara an’onjampeo). Lasan’i Nasan­dratra sy i Harinala ny amboara tamin’ity hetsika karakarain’ny Tapaporohana Production ity. Tontosa ny 18 avrily teo, tao amin’ny JB Amboditsiry ny fanolorana ny fanomezana avy amin’ny JB Madagascar. « Chèque Cadeau […]

VAOVAO TAMBATRA

Napetraka omaly teny Ambohijanamasoan­dro ilay vata mpanova herinaratra, manana tanjaka 160 KVA. Nametraka izany avy hatrany ireo teknisianina mba hamerenana ny famatsiana eny amin’ny faritra Ampitatafika, Faliarivo, Ambohimamory, Ambohijana­ma­soandro ary Vinany. Tsiahivina fa may ny vata mpanova herinaratra ka nampiato ny famatsiana herinaratra teny an-toerana. Hotanterahina ny 11-15 mey any […]

CNTEMAD Discovery Days : Sehatra hidirana amin’ny matihanina

Hiditra amin’ny tontolon’ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra ny CNTEMAD amin’ny alalan’ny Université virtuelle public. “Hiova tsikelikely ny fampianarana mba hanamora ny fahalalana sy hisitrahan’ny mpianatra dip­laoma. Tanjona ny hamoaka mpianatra hahay hamorona asa”, hoy ny tale nasionalin’ny CNTEMAD, ny Pr Rakotoma­henina Pierre Benjamin, oma­ly, nandritra ny fampahafantarana ny […]

Famatsian-tsolika : Tsy ampy ny lasantsy any avaratry ny Nosy

Fantatra fa ahitana fikorontanana ny famatsiana lasantsy SP95, amin’izao fotoana izao any amin’ny faritra vitsivitsy. Araka ny fampahafantarana avy amin’ny Ofisy Malagasy misahana ny akoranafo (OMH), voakasik’izany, ny any amin’ny tapany avaratra andrefan’ny Nosy, toa an’i Mahajanga, Antsohihy, Antsiranana ary Nosy Be. Antony nahatonga izany, ny fahataran’ny sambo « caboteur » mpitatitra […]