Mois : avril 2026

TSELATRA

Tovovavy maromaro mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina iray ao Mandritsara no voan’ny ambalavelona, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Miantso ny anaran’ny tovolahy iray antsoina hoe : Jean Pierre avokoa izy rehetra ireo. Nidina an-tsehatra nisambotra an’io lehilahy voatonona anarana io ny polisy taorian’izay. Efa eo am-pelantan’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana. Lehilahy […]

Ambohibao-Antehiroka: Voasambotra ireo efa-dahy nangalatra moto

Niara-voasambotry ny zan­darimaria miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ante­hiroka, ireo mpiasa efa-dahy nangalatra moto an’ny mpampiasa azy, tao Ambohibao, afakomaly. Niasa tao amina orinasa iray ireo efatra mirahalahy ireo. Nametrahan’ny mpampiasa fitokisana izy ireo ka samy niandraikitra moto iray avy isanisany. Tsy naverin’ireo olona tao amin’ny orinasa intsony anefa ny moto […]

Roa andro nokarohina: Lehilahy hita faty natsingevan’ny rano

Natsingevan’ny rano tao amin’ny fokontany Ampanoa­vamatso-Morarano, kaominina Mahavelona, distrikan’­ Anka­zobe, ny lehilahy iray, ny alatsinainy 20 avrily teo. Niaraka tamin’ny namany telo lahy izy, ny sabotsy 18 avrily teo, araka ny fanazavan’ny fianakaviany. Samy avy niasa tany amin’ny toeram-pitrandrahana vato izy efatra ireo ka nikasa hamonjy fodiana any amin’ny vady […]

Nidona tamin’ny takelaka dokambarotra: Lehilahy iray nitondra moto maty tsy tra-drano tetsy Itaosy

Maty tsy tra-drano, nianjera tamin’ny moto tetsy Anosimasina Itaosy ny alin’ny alatsinainy teo, Ambinitsoarivelo Yvon. Nivoaka ny lalana ny moto noentiny ary nidona mafy tamin’ny takelaka dokambarotra. Potika tanteraka ny lohany sy ny tarehiny. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Ano­simasina Itaosy, ny alin’ny alatsinainy 21 avrily 2026 lasa teo […]