Mois : avril 2026

Fanatanjahantena : Homarihina ny Andro iraisam-pirenena

Toy ny isan-taona, hanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena i Madagasikara. Hotonto­saina ny 24 – 26 avrily izao, izany. Maro ny hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Fana­tanjahantena, toy ny hazakazaka firaisankina, hiainga eny amin’ny Parvis Analakely ka hatreo amin’ny kianja Barea, ny alahady izao. Ny basikety 3 x 3 ary ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Namoaka ny anaran’ireo teknisianina sy mpanazatra, mandrafitra ny ekipany ny tale teknika nasionaly ny Federasionina malagasin’ny tenisy (FMT), tao amin’ny tambanjotra seraserany, omaly. Ireo mpilalao fahiny manana traikefa sy efa tompondaka ny ankamaroany. Eo koa ireo mbola tanora mifaninana amin’izao fotoana izao. Misaona ny tontolon’ny tenisy ambony latabatra malagasy. Nodimandry […]

Lucadro : Manana tanjona hiakatra N1A

Ekipa anisan’ny sangany eto Analamanga, ny Lucadro (Lutte Contre l’Analphabétique et la Drogue), ekipa malagasy eo amin’ny taranja basikety. Vao avy nandrombaka ny tompondakan’ny Seksiona Antananarivo, ity ekipa ity, ka miatrika ny N1B eo anivon’ny ligin’Analamanga amin’izao fotoana izao. Tanjona ho azy ireo ny hiakatra N1A, araka ny nambaran’ny filohany, […]

Baolina kitra – Carion : Mety hatao kianja fandraisana lalao iraisam-pirenena

Manana vina, ny hanao ny ivontoerana ao Carion ho kianja azo hampiantranoana lalao iraisam-pirenena ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, araka ny fanadihadiana natao. Tsy maintsy hanaovana fangatahana amin’ny federasionina iraisam-pirenena (Fifa) anefa ny fahazoana izany. Manoloana ny olana ara-kianja mbola se­drain’ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny taranja baolina kitra, manana vina ny […]

Asan- jiolahy ao Toamasina : Lavon’ny balan’ny polisy i Coco

Ela nitoratorahana ka lavon’ny balan’ny polisy tao Tanambao Verrerie i Pascaud Edvin, fantatry ny maro amin’ny solonanarana hoe Ra-Coco, 32 taona. Tovolahy vao erotrerony saingy efa mpamerin-keloka. Ra­ha iverenana ny zava-nitranga, natory tany amin’ny tranon- drainy ao Tanambao Verrerie izy ny alahady 19 avrily teo. Reraky ny torimaso izy, araka […]