Mois : mai 2026

INDRAY MIJERY

Mamolavola antontan-kevitra entin’ny Centre des opérations d’urgence de santé Publique (Cousp) miasa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) mandritra ny hadimiana. Tafiditra amin’ny tetikasa fiomanana amin’ny fiatrehana ny valanaretina sy ny fanatsarana ny tolotra eny amin’ ny tobim-pahasalamana fototra ny asa. Fitaovana iray ampiasain’i […]

Ady amin’ny fahapoizinana ara-tsakafo : Natao ny fanombanana ny rafitra nasionaly

Nanatanteraka atrikasa fa­nombanana ny rafitra fanaraha-maso nasionaly fiarovana sy fiantohana ny fahasalaman’ny sakafo ny ivontoerana misahana ny fanaraha-maso ny fahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo tamin’ity herinandro ity, tany Ampefy. Andry iankinan’ny fahasalamam-bahoaka sy singa iray miantoka ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ny fiantohana ny fahasalaman’ny sakafo. Eto Madagasikara, loza mitatao […]

Ady amin’ny herisetra : Hofanina ireo mpisehatra

Mitohy hatramin’ny rahampitso ny fanofanana ireo mandray an-tanana ny olona iharan’ny herisetra, ao anatin’ny tetikasa “Eager”. Ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina sy ny Fid no manatanteraka izany fiofanana izany. Mbola anisany fanamby lehibe eto Madagasikara ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy. Manohintohina ny fiarovana […]

Fampisitrahana rano madio : Ilaina ny mandrindra ny asa hitondra vokatra ho an’ny vahoaka

Efa natolotra ny governemanta ny volana desambra 2025 ny politikam-panjakana amin’ny fampananana rano fisotro madio sy lalàna mifehy ny rano vaovao ary ny drafitrasa fanatanterahana ny politika. Nisy ny antontanisa nivoaka avy amin’ny di­nika momba ny toe-piainan’ny ankohonana «MICS 2025» niarahana tamin’ny Instat mahakasika ny rano, fanadiovana ary fidiovana (EAH). […]

Baolina kitra, vehivavy: Hilalao any Etazonia i Iriko Tsiafoy

Nahazo vehivavy mpilaravinahitra ny kitra malagasy. Araka ny vaovao voaray, omaly, teo anivon’ny klioba Disciples FC, nahavita sonia fifanarahana amin’ny klioban’ny Northwest Mississipi Com­munity College – NWCC Rangers atsy Etazonia, i Iriko Tsiafoy, vehivavy malagasy mpilalao baolina kitra. Hifa­ninana ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Oni­ver­site any Etazonia, “NJCAA Division II […]