Mois : mai 2026

Mpandraharaha notifirin’ny mpamiliny : Nalefa eny Tsiafahy ilay nahavanon-doza

Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, ny alarobia lasa teo, ilay lehilahy voarohirohy nitifitra nahafaty ny mpampiasa azy, tetsy Ambohibao, ny zoma 1 mey 2026 lasa teo, rehefa avy niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana Anosy, tamin’io andron’ny alarobia io. Efa amam-bolana maro no nanomanany iny vono olona maha­tsiravina iny ka […]

Anosibe Zaivola : Fiara nivadika, olona roa naratra

Fiara an’olon-tsotra iray nivadika teny amin’ny lalambaovao, anatin’ny fokontany Anosibe Zaivola, boriboritany fahenina, lalana mihazo an’Ambohitrimanjaka, omaly maraina. « Hiakatra ho aty Antananarivo ilay fiara sady nandeha mafy », hoy ny angom-baovao voaray avy amin’ny polisim-pirenena nidina ifotony nijery ny zava-nisy. Nisy bisikileta nanapaka tampoka ka tsy voafehin’ny mpamily intsony ny fiara. […]

TARATRY ny KANTO

Nidina nijery ireo harembakoka any Itasy ny tale jeneralin’ny kolontsaina, Théo Rakotovao, sy ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izay voakasik’izany. Momba ny fitantanana mahomby ireo harembakoka mahasarika mpizahatany toy ny geysers sy ny riandrano Lily no anton-dian’ny delegasionina, nifanatona tamin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga, any an-toerana. Niara-nidinika […]